Fiantsoana any Madagasikara lasa lafo be?

2014-06-17 @ 08:42 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Teo alohaloha teo rehefa miantso an-taroby mandeha any Madagasikara dia ny skype no nampiasaiko na dia somary lafo noho ny tolotra sasany aza satria tamin'izany dia teo amin'ny 0,33 EUR eo ny 1 minitra. Fa tamin'ny fetin'ny reny teo dia niantso nampiasa skype indray dia akory ny hagagàna fa tapaka sahady ilay izy nefa tsy mbola niresaka firy akory. Niverina nijery ny tarif aho vao tonga saina fa nisondrotra avo telo heny ny saran'ny fiantsoana amin'ny skype any Madagasikara. Ary ny mahagaga dia tsy ny skype ihany no nisondrotra fa ireo mpifanandrina aminy hafa. Niezaka nijery ireo fampiasa hatr'izay ary aho ka dia ireto hozaraina aminareo ireto hoe iza no mora indrindra. Raha manana hafa moa dia ilazalazao. Alahatro avy amin'ny mora indrindra.

1. Rebtel

Ny Rebtel no hitako mora indrindra amin'izao fotoana izao satria dia 0,34 EUR /min no aloanao raha hiantso any Madagasikara. Ary raha mampiasa ity rohy ity ianao dia hahazo fihenam-bidy ary maimaim-poana ny antso voalohany http://reb.tl/1vyszmS

Rebtel

Marihina fa misy application amin'ny finday koa io rebtel io.

2. Voipstunt

Ny manarakaraka azy izay azonao andramana ihany koa dia ny voipstunt. Efa somary lafo sahady ary somary tsy dia mazava ny feo indraindray. Taloha dia izy ity no mora sy fampiasako fa amin'izao dia lasa lafo noho ny Rebtel. Tafakatra 0,43 Eur/min koa ny Voipstunt amin'izao raha 0,29 Eur/min taloha.

voipstunt

3. Google Voice

Ny google koa dia manana ny fitaovana fiantsoana numero telephone. Nisondrotra koa izy ito taty aoriana nefa mba mora ihany teo aloha. Amin'izao dia 0,49 Eur/min ny saram-piantsoana. Tsy mety koa izany ny Google raha hiantsoana finday fa ny mahatsara azy dia ny Hangout, izay tsy tahaka ny skype fa afaka miresaka miaraka amin'ny sary (videoconférence) amin'ny olona maro. Ny skype mantsy tsy faka manao video conférence.

Google Voice

4. Viber Out

Anisan'ny soavaly vao amin'ny sehatry ny fifandraisana ny Viber nefa efa be mpampiasa be. Nanararaotra nampiditra ny Viber Out koa ry zareo izay fomba hahafahana miantso laharana antso an-taroby tsotra. Mbola lafo anefa ny sarany, indrindra ho an'i Madagasikara satria dia mahatratra 0,84 Eur/min be izao izany. Ny ampiasaiko ny viber aloha hatramin'izao dia ny fifandraisana samy viber na antso izany na hafatra.

viber out

5. Skype

Ary ny tena lafo indrindra dia ny skype... izay efa voalaza fa nisondrotra ho 0,93 Eur/min be izao. Koa dia tsy hampiasaina hiantsoana finday any Madagasikara intsony indray aloha izany izao ny skype. Ny tombony ho an'i skype kosa anefa dia 0,06 Eur ny azy ny SMS mandeha any Madagasikara izay hitako mora indrindra raha mitaha amin'ny rehetra

skype

Famaranana

Samy manana ny paosiny ny tsirairay ary samy manana ny manavanana azy fa amin'izao aloha dia resy lahatra aho hoe ny rebtel indray no hampiasaina. Raha mahita moramora noho io ianareo dia ilazao ihany.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry