Fanarahan-dalàna ao Antananarivo

2014-06-19 @ 12:56 in Fiaraha-monina, Tsy aritra

Mafanafana fo indray ny ao Antananarivo renivohitra ao satria manomboka hentitra amin'ny fampiharana ny lalàna (efa nisy taloha na vao napetraka) ny ao am in'ny Kaominina. Nisesisesy mihitsy izy tato ho ato taorian'ny gaboraraky ny Tetezamita. Nanomboka tamin'ny fandrodànana trano, fandraràna fivarotana toaka amin'ny ora sasany, fandroahana ny mpivaro-tena tsy ampy taona, fanadiovana ny mpivarotra amoron-dalana, ny fanamboarana ny laharan'ny fiara sns. Mahafinaritra aloha ny mahita ny fanarahan-dalàna tahaka izao saingy misy tsetsatsetsa tsy aritra roa.

Antananarivo

1. Tsy tokony hisy tombo sy hala.

Ny olon-drehetra dia eo ambany lalàna avokoa. Ny fiara rehetra dia tokony hanara-dalàna, ny mpamily rehetra ihany koa fa tsy izay an'olontsotra ihany. Ny lalàna rehetra dia tokony hampiharina avokoa. Ny lalàm-pifamoivoizana ohatra dia misy maro izay tokony hajaina avokoa, anisan'izany ny momba ny tsy tokony hijanona amin'ny toerana tsy azo ijanonana sns. Ny satroka fiaro rehefa mitondra "moto" dia tokony hanaovana n'iza n'iza, imbetsaka no mahita sarin'olona tsy mitondra an'ireny. sns...

2. Tokony hisy fanohanana ireo madinika.

Tokony ho voaomana hatrany ny olona amin'ny fampiharana hentitra ny lalàna. Tokony hisy fanarahana na "service d'accompagnement" an'ireo olona izay very tampoka. Ohatra ireo mpivaro-toaka izay miasa amin'ny atoandro ka amin'ny alina ihany no mba mivarotra, toa izany koa ny mpivaro-tena sy ny mpivarotra amoron-dalana izay tsy manana asa hafa. Toa izany koa ireo olona voatery hafindra trano. Tokony misy hatrany ny vahaolana mialoha aroso ho an'ireny olona ireny mba tsy hitrangan'ny olana vaovao izay ratsiratsy kokoa noho ny tsy fanarahan-dalàna teo aloha ny vokany.

Na izany na tsy izany dia efa fandrosoana ny fampiharana lalàna ka ho hita eo na ho lavitr'ezaka izy ity na ho afo-mololo fotsiny.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry