Horonantsary maromaro no nojereko tamin'iny herinandro iny fa tamin'ity farany ity aho vao mba afa-po... kanefa sarimihetsika frantsay ity iray ity. "Dépression et des potes" (2012). Maivana, manala vizana, mampihomehy nefa koa ahitana ireo olam-pianakaviana andavanandro (mpivady, tsy mpivady, niteraka, tsy miteraka)...
Ah, ny horonantsary hafa nojereko dia "Ici-bas", "Escalade", "Miss Bala", "The watch"

Lasa eritreritra be aho nahita an'ity horonantsary ity. Saika tonga dia nandray teny famaranana hoe "Gravy lahy ny fitiavana"... dia novaiko tampoka hoe "Gravy ihany ny vehivavy". Satria raha tsy ny vehivavy tsy hahavita tahaka izany. (tohiny)

Rehefa avy nijery an'ilay horonantsary hoe Limitless (2011) aho omaly dia lasa ohatry ny nitombo be izany ny fanantenako hoe mbola betsaka tokoa ny zavatra azon'ny saina atao fa vokatry ny fanadinoana fotsiny dia milevina ao anaty atidoha ao daholo ny fahaizana. Raha toa izany ka resy ny fanadinoana dia hitombo ho azy ny fahaizana satria hifoha avy ao amin'ny "sub-conscience" avokoa ny zavatra hay taloha. Izay no fiantombohan'ilay film hoe Limitless io.
Nalaina avy ao amin'ny boky iray hoe The dark fields ny tantara. Ary ny tanjona dia ny fitrandrahana (exploitation) ny atidoha hampiasa ny fahafahana rehetra ananany. Voalazany mantsy fa ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no miasa fa ny ambiny dia matory. Lasa lavitra be ny vinavina (imagination)-n'ilay mpanoratra ka mahafinaritra ny mijery ilay film... Ny mpilalao koa mahay tsara. Miserana ao amin'ity horonan-tsary ity i Robert de Niro ary tsy mandiso fanantenana na dia tsy izy aza no mpilalao fototra.
Io maraina io dia nojereko tao amin'ny wikipedia ny mikasika ity resaka 10% ity ka nolazainy fa tsy marina ilay izy. Tsy ny 10%-n'ny tanjaky ny atidoha ihany no tena miasa. Lazain'io lahatsoratra ao amin'ny wikipedia io fa miasa ("active") daholo ny singa rehetra ao amin'ny atidoha... izany hoe tsy misy matoritory... tsy very nefa ny fanantenana :-p
Mitady torimaso ety ambony bus dia manoratra eto amin'ny blaogy vetivety. Tiako tehirizina ato fotsiny ilay film hoe "The Beaver" na "Le complexe du castor" (2011) tontosain'i Jodie Foster, ary lalaoviny miaraka amin'i Mel Gibson. Nety tsara mihitsy ny casting, ary tena efa mahay i Jodie Foster fa nivoaka tsara ilay izy.
(Attention, spoiler)
Mitantara ny dingana fanasitranan-tena (process of auto-healing) nataon'ny lehilahy iray izay tratran'ny depression ilay izy. Mba hahafahany manao ny asany sy ny fiainany ara-dalana dia nandray personnage hafa izy (castor) ka iny no nentiny nahatafita indray ny orinasa. Ny olany manokana, eo anivon'ny fianakaviany, izay tsy manaiky ny fisian'ilay "castor", anefa tsy mety mivaha. Dia io no votoatin'ny tantara.
Nety tamin'i Jodie Foster mihitsy ny "role" noraisiny, renim-pianakaviana be adintsaina (toy ny mahazatra), ary i Mel Gibson koa tsy nandisso fanantenana na dia somary mi-exagérer ihany aza izy. Fa misy an'ilay sipa iray iny (hjereko amin'ny internet refaveo ny anarany fa milalao amin'ny X-Men izy Jennifer Lawrence) hitako hoe tsara safidy koa. Misy mantsy tsy dia tafiditra loatra amin'ny personnage entiny.
Any am-piasana apetrak ny sary.
Inviato con Windows Mobile�.
Misy zavatra indraindray irina hojerena nandritra ny fotoana maharitra fa tsy mety hita mihitsy... satria tsy nanam-potoana naharitra hakàna fy azy, na koa tsy mbola nahita an'ilay tena qualité tsara. Fa tamin'ity kosa dia hitako ihany na dia efa 2 taona aza angamba izay no nilazana azy tetsy sy teroa. (tohiny)