Hay tena nisy i Alan Turing

2015-01-21 @ 13:29 in Sarimihetsika, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka dia tsetsatsetsa tsy aritra kely mikasika ilay tenin'ny Papa omaly hoe tokony ho tompon'andraikitra ny raim-pianakaviana. Tsy tokony hitondra tena toa ny bitro katolika. Ny tena noteneniny dia hoe "Misy ireo miteny hoe ny katolika tokony hanao toa ny bitro... tsia... tsia". Avy eo moa izy nanazava ny ato hoe ray amandreny tomponandraikitra. Fanamarihana kely fotsiny fa hay tsy fantatry ny maro hoe ny Katolika dia tsy manaiky ny fanabeazana aizana afatsy ny natoraly. Izany hoe tsy manaiky fatotra, kapaoty, fanafody, FI.SA. Koa ny fanabeazana aizana hany voizina dia ny resaka fifadiana amin'ny fotoana maha lonaka. Izay no fitsipika sy foto-kevitra katolika. Ny tena katolika dia manarka an'io. Avy eo moa, toa ny lalàna rehetra io, misy ny mandika, misy ny tsy manaraka, fa tsy olan'ny mpanao lalàna intsony izany.

Fa ny tena resaka dia mety misy ifandraisany kely amin'izay ihany. Misy sarimihetsika mandeha amin'izao, "The Imitation Game", nanaitra ahy ny sombiny tamin'ny Youtube dia mba nijery aho. Tantara tamin'ny ady lehibe faharoa saingy tsy dia ilay ady amim-basy loatra fa ny taktika isan-karazany nitadiavana izay handresena ny Alemana. Ny alemana dia mampiasa tenimiafina amin'ny baiko alefany ho an'ny miaramila mpanafika. Azo vakiana tsara ny baiko saingy tsy fantatra hoe inona no tena heviny. Mila mahafantatra ny fifangaroan'ny tenimiafina vao afaka mahalala ilay tena baiko ao ambadiky ny baiko miseho. Ny tanjona izany raha te handresy dia ny mitady ilay tena baiko mba hahafahana miaro tena na manafika dieny mialoha. Izay no asa nampanaovina an'i Alan Turing lehilahy tsy dia mitovy amin'ny rehetra nefa nasaina nanao asa goavana noho ny faharanitantsainy... hitady ny tena dikan'ilay baiko. Tsy dia hotantaraiko amin'ny antsipirihany satria sarimihetsika vao nivoaka ihany ka sao dia mbola misy te hijery. Fa rehefa avy nahita an'ilay tantara aho dia nieritreritra hoe mety ho tena nisy tokoa izany tantara izany. Dia notadiavina tamin'ny Google dia hay tena nisy tokoa ny tantaran'i Alan Turing ary ny tantarany tokoa no asehon'ilay sarimihetsika.

Nanaitra voalohany aloha ny fomba nataon'ny olona tamin'izany fotoana izany ara-teknolojika. Toa tsy mampino rehefa mieritreritra ny finday sy ny solosaina amin'izao fotoana izao. Nefa dia tahaka izany tokoa no niantombohany. Ny kajy iray dia herinandro maro vao ahitan'ny milina valiny. Ny milina ampiasaina hanaovana izany kajy izany dia milanja an-taonina. Olona maro no miara-mieritreritra. Betsaka kokoa ny sakana kanefa betsaka kokoa ihany koa ny fikirizana. Toa mamantam-bonona ihany isika ankehitriny.

Fa nanaitra sy nahatonga saina koa ny fivoaran'ny fiaraha-monina rehefa mieritreritra hoe tamin'izany fotoana izany, izay tsy mbola 80 taona lasa akory izay, dia miafina sy voaheloka ireo izay manana fironana homosexuel. Amin'izao fotoana izao anefa izy ireo dia miantsoantso hanana zo be dia be toa ny hivady, hanana zanaka, tahaka ireo mpivady tsy mitovy ehy. Fandrosoana tokoa angamba.

Ny sombin-teny nanaitra tao anatiny sady azo entina  hikirizana amin'ny fiainana dia ilay hoe "Indraindray dia ny olona izay tsy eritreretina hahavita na inona na inona no mahavita zavatra izay tsy eritreretin'ny olona ho vita." "Sometimes it is the people who no one imagines anything of who do the things that no one can imagine."

Baikom-pitolomana: manao, manao, manao hatrany (izay vita eo vita fa mila mahavita)

Toa izao ny resaka momba ny #imitationgame ao amin'ny twitter

Ilay fihaonana....

2014-09-11 @ 11:27 in Sarimihetsika

Nahafinaritra ahy ity sarimihetsika iray ity "Une rencontre" (2014) andraisan'i Sophie Marceau sy i François Cluzet anjara. Anaty fonosana, tena misy itovizana amin'i Dustin Hoffman tokoa i François Cluzet an. Tsy ho tantaraiko fa sao misy liana te hijery... fa tsy araka ny ampoizina ny farany. Ilay karazan'ny hoe maty ny "role" sns :-)

Une rencontre

 (tohiny)

Hatsaràna be vata

2014-03-04 @ 14:51 in Sarimihetsika

Fomba fiteny ilay "be vata" izay fampiasa any atsimo midika hoe Goavana ary naverimberin'ny pro-JLR nandritra ny nilazàny fa nisy hosoka ny fifidianana farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa tsy nandiso fanantenàna firy ny vokatry ny Oscars tamin'ity 2014 ity. Nahafinaritra ahy avokoa ireo horonantsary nandresy sy ireo mpilalao nahazo loka. Na izany aza anefa dia somary tara kely ihany aho tamin'ilay "La Grande Bellezza". Tsy mbola hitako ilay (tohiny)

Endaso e (Minnieone)

2013-10-30 @ 08:25 in Sarimihetsika

Tsy hiresaka fifidianana aho amin'ity lahatsoratra ity na dia mangidihidy faran'izay zokiny aza ny tanako... azonareo jerena ao amin'ny Twitter-ko rahateo ny hevitro vitsivitsy mikasika ny fifidianana izay tsy maintsy mbola hovoaboasako ihany rehefa tonga ny fotoana. Fa hiresaka sarimihetsika nahafinaritra ahy aho... na ny marimarina kokoa sary ahetsika. (tohiny)

Blanc d'oeuf pour réparer une fuite de radiateur?

2013-07-17 @ 08:43 in Sarimihetsika

Ary izaho ihany no tsy nahalala an'io fika iray io. Nijery an'ilay film hoe "Intercesections" (2013) aho vao dia nahita an'ilay Sahel nanetsina radiateur vaky tamin'ny atody dia nanamarina tamin'ny google raha misy manao tokoa ny toa izany. Dia gaga fa toa hoe nisy nanporofo tamin'ny Discovery Channel mihitsy ilay izy fa azo atao. Fa izany hoe ny tapotsiny ihany no tena ilaina, ary raha zara fa mitete koa fa tsy hoe ireny vaky be ireny.

Anisan'ny olana naha-may ny culasse-n'ilay fiara nentinay indray mandeha izay mantsy io. Ny andro alina, ny tena mandeha mafy, ny làlana mangina, ilay fiara rahateo efa somary vizana ihany ka tsy misy témoins intsony eo amin'ny tableau de bord. Sendra nisy fiara tao aoriana dia izay vao hita notarafin'ny jirony hoe manetroka be ilay fiara. Dia nijanona. Kay efa nidonaka be ny tao anaty motera ary tsy nisy rano intsony ny radiateur fa very daholo, nitete kay ilay radiateur tsss.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2025 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry