Endaso e (Minnieone)

2013-10-30 @ 08:25 in Sarimihetsika

Tsy hiresaka fifidianana aho amin'ity lahatsoratra ity na dia mangidihidy faran'izay zokiny aza ny tanako... azonareo jerena ao amin'ny Twitter-ko rahateo ny hevitro vitsivitsy mikasika ny fifidianana izay tsy maintsy mbola hovoaboasako ihany rehefa tonga ny fotoana. Fa hiresaka sarimihetsika nahafinaritra ahy aho... na ny marimarina kokoa sary ahetsika.

Mety maro ireo efa nahita fa tahaka ilay voalohany dia mbola fahombiazana indray aloha no fahitako ilay sary ahetsika Despicable Me 2. Izaho mpakafy an'itony sary ahetsika itony ary mahaliana foana ny fahitan'ireo namorona sy nanatontosa ireo zavatra madinika indrindra ao anatiny. Ny tena votoatin'ny tantara aloha dia toy ny efa mahazatra ihany fa ilay pitsopitsony no tena mahavariana. Ka ity apetrako eto ity ny hira iray "Underwear" izay nohirainy izay efa fantatry ny gasy ihany koa ny feony sy ny tonony amin'ilay hoe "Endaso e"

 

Ps. Les mignions no iantsoana an'ireo robots kely bedabe mavomavo ireo :-) dia pi-maso kely ho an'i Minnieone 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry