Hatsaràna be vata

2014-03-04 @ 14:51 in Sarimihetsika

Fomba fiteny ilay "be vata" izay fampiasa any atsimo midika hoe Goavana ary naverimberin'ny pro-JLR nandritra ny nilazàny fa nisy hosoka ny fifidianana farany teo. Tsetsatsetsa tsy aritra iny fa tsy nandiso fanantenàna firy ny vokatry ny Oscars tamin'ity 2014 ity. Nahafinaritra ahy avokoa ireo horonantsary nandresy sy ireo mpilalao nahazo loka. Na izany aza anefa dia somary tara kely ihany aho tamin'ilay "La Grande Bellezza". Tsy mbola hitako ilay izy kay nahazo ny loka voalohan'ny horonantsary tsy amerikana. Tsy dia nanitona ahy loatra mantsy ilay famintinana azy, asa noho izaho mipetraka eto Italia angamba. Na izany aza anefa dia anisan'ireo nanohana mavitrika azy aho.

Azonao jerena eto ireo izay nahazo loka mendrika indrindra

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry