Telopolo taona lasa

2006-05-28 @ 23:53 in Tsiaro

Tamin'ny 29 mey 1976, efa telo taona mahery aho, ka nisy zavatra tadidiko tsara. Telopolo taona lasa izay no nanaovana mariazy an'i Papa sy Mama, dia nanaovana batemy ahy sy ny zandriko roa. Niaraka natao daholo izany rehetra izany satria izay vao tapa-kevitra ny hiroso amin'ny mariazy ry zareo.

Telopolo taona aty aoriana... mbola any soa amantsara ry zareo, isaorana an'Andriamanitra. Tsy mbola nahita aho hoe nisy olana be teo amin'izy ireo... ny resaka vary misy vato sy ny mouchoir tsy hita angamba no ady mba reko.

Nisy zavatra tadidiko vitsivitsy saingy somary manjavonjavo sy mifangaro (gravy ihany ilay fanadinoina). Anisan'izany ilay i mama sahirana niakanjo dia rehefa tongatao antrano i mompera (P. Benoit Tsangambelo) dia nandeha tao amin'ny efitra izay niakanjoako ihany koa. Dia tery amin'ny zorontrano ry zareo fa nikofesy i mama. I Mama mantsy protestante taloha, tahaka ireo fianakaviana avy any aminy rehetra, fa nony nanambady an'i Papa izy dia lasa katolika... ary tena katolika mihoatra ahy indray aza. Tadidiko ihany koa, angamba noho ilay izy azo sary, dia izahay telolahy niara-notrotroin'i Papa tamin'ny naka sary teo amin'ny varavaran'ny Fiangonana. Tao amin'ny Chapelle Militaire Ste Croix tamin'izay fotoana izay. Dia io Fiangonana io ihany koa no nanabe anay rehetra. Ny ankoatra an'izay tsy misy tadidiko.

30 taona ihany koa izany izay no nanaovana batemy ahy. Ka na dia eo aza ny olana mateti-pitranga eo amin'ny fiainam-panahy dia mbola sahiko hatrany ny mamerina ny foto-pinoana maha Katolika ahy. Mino An'Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, ny Zanaka, Jesoa Kristy Tompo tena olombelona sy tena Andriamanitra, ny Fanahy Masina, avy amin'ny Ray sy ny Zanaka, niteny tamin'ny vavan'ny mpaminany. Mino ny Eglisy, Iray, Masina, Manerana ny tany, Apostolika. Mankato ny Batemy tokana, fanalana ny fahotana. Mino ny fitsanganana amin'ny maty sy ny Fiainan-ko avy.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry