Fihaonan'ny namana: Roma 4-5-6 Aout 2006

2006-06-08 @ 22:08 in Serasera.org

Dia raikitra izany fa hisy fihaonan'ireo namana ao amin'ny serasera.org amin'ny 4-5-6 aogositra 2006. Eto Roma (Italia) no hatao io fihaonana io. Natao indrindra mba hanararaotan'ireo namana hitsidika izany tanana mandrakizay (ville éternelle) izany.

 

Fandaharam-potoana

Toa izao ny vinavina amin'ny fandaharam-potoana amin'io fotoana io.

4 Aogositra tolakandro: Fahatongavana, fifankafantarana
5 Aogositra: Mijery tanàna sns
5 Aogositra hariva: fihaonana, resadresaka, fety sy ari-tory
6 Aogositra maraina: Mijery tanàna - Vatican sns
6 Aogositra hariva: Fodiana

Marihana fa raha misy te ho tonga alohan'ny 4 aogositra na te hijanona aorian'ny 6 aogositra dia afaka manao izany raha vonona ny hianto-tena tanteraka.

 

Fandraisana anjara

Nohezahina ho kely dia kely araka ny tokony ho izy ny fandraisana anjara mba hahafahana miara-mifety ara-dalàna.
Notapahana ary fa 70 Euros ny sarany rehetra ho an'ny olona iray mandritra ireo fotoana ireo.
Tafiditra ao anatin'izany:
- Saran'ny trano hipetrahana (Hotely)
- Sakafo rehetra (Maraina atoandro hariva)
- Fety Asabotsy 5 aogositra alina

Tsy tafiditra ao kosa:
- Ny saran-dàlana tonga sy avy eto Roma
- Ny saran-dàlana madinidinika eto an-tanàna (Bus)
- Ny pitsopitsony ilain'ny tsirairay manokana
- Ny zava-pisotro manokana

Fisoratana anarana

Ireo namana rehetra izay maniry ho tonga dia mila manoratra ho an'i sipagasy (Tsindrio eto raha hanoratra ho azy) na koa amin'i Fa (Tsindrio eto raha hanoratra ho azy).
Ny vola aloa amin'ny fisoratana anarana dia 40 Euros.
Afaka manontany an'i sipagasy sy i Fa momba ny fomba handoavana ny vola.

Tandremo fa voafetra ihany ny isan'ny namana azo raisina ka izay tonga aloha no raisina aloha.

 Fanazavana fanampiny : Jereo eto

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry