Telo alina

2006-06-13 @ 06:56 in Serasera.org

Fantatrao ve fa teloalina mahery (30.182) no isan'ireo efa nisoratra anarana tao amin'ny namana.serasera.org nandritra izay 3 taona nisiany izay? (Ny takelaka namana.serasera.org dia niforona tamin'ny 2003 fa ny serasera.org amin'ny ankapobeny no tamin'ny 1999)

Hatramin'ny voalohany dia efa nanapa-kevitra aho fa hofafaina izay tsy mampiasa ny solonanarana mandritra ny 4 bolana. Izay no mahtonga hoe 9500 sisa no voasoratra. Isanandro dia misy miditra ary misy voafafa. Ny serasera.org ihany angamba no manao an'io amin'ny takelaka malagasy. Indraindray aho mieritreritra hoe tokony tsy fafaina izany... kanefa atahorako tsy haharaka ny serveur. Dia nisy fotoana koa nieritreretako hoe tokony mba tehirizina ihany ny mombamomba an'ilay mpikambana na dia voafafa aza... kanefa hatao inona? Dia izay foana no mitranga hatramin'izao. Izay voafafa any dia "any izay!!!".

Ny forum no mba nasiana archives fa saika natao an'izay koa. Amin'izao ny hafatra mihoatra ny roa volana dia mifindra amin'ny table iray... kanefa toa tsy misy ilàna azy akory satria tsy azo jerena. Mbola hojerena hoe ahoana no ahafahana mijery azy. Ny natao fotsiny izao dia hoe tsy alefa any amin'io archives io ny dinika manokana satria misy dinika manokana mampalahelo :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry