Inona no misakana anao tsy hi-blaogy?

2007-02-12 @ 12:09 in Blaogy Dev

Isika namana rehetra eto amin'ny serasera dia afaka mampiasa ny blaogy.org hametrahantsika ireo zavatra manokana izay tsy tafiditra eto amin'ny forum, na koa tiana hotehirizina maharitra... (satria ny eto amin'ny forum dia voafafa rehefa tsy misy mamaly mandritra ny 2 volana)

Ny blaogy.org ohatra dia azonao ametrahana video (Jereo eto), azonao ametrahana sary maro (Jereo eto), azonao ametrahana izay fiainanao andavanandro tianao hotehirizina any (Jereo eto), azonao asiana ny tena mombamomba anao manokana tena serieux (Jereo eto) kanefa azonao ametrahana izay izay fialambolinao (Jereo eto). Azo asiana resaka lava be tsy voafetra... ara-pilozofika  (Jereo eto) dia azonao tsy asiana na inona na inona koa (Jereo eto)

Inona no misakana anao tsy hanao blaogy?

Soraty ao daholo na ny faniriana sesehena, na rediredy politika manohana sy manohitra an-dRavalo, tononkalo, sns

Izay tsy zakan'ny forum.

Raha mazoto ianao ary dia mandehana ao amin'ny

http://blaogy.org

Misaotra

Dika mitovy  

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry