Nangingina ny blaogiko

2007-02-27 @ 20:11 in Blaogy Dev

Nangingina ny blaogiko tato ho ato. Be dia be ny nifamahofaho :-) Ny olana goavana dia ny internet tsy misy ao antrano... Eto Italia mantsy ny tena e. Tahaka ny any Afrika ihany... nanova compagnie telephone dia miandry ny rariny aloha vao misy internet. Mikatso daholo izay tsy hikatso.

[tohiny efa alina be] Hmmm... tonga aloha ny connex ato amin'ny birao iray. Au moins misy azo ampiasaina ka dia tohizako ihany ny resabe. Fa tsy afaka manindry klavié mafy loatra ato fa manako be ity birao ity dia henon'ny any ambany sy ny any ambony. Ilay kavié koa am'zany ohatra ny machine à écrire lol.

[ratatoy indray]

Natao mariazy zandrinay faravavy tamin'ny asabotsy. Faly hono izy fa tanteraka ny faniriany. Tamin'ny asabotsy 24 febroary 2007 teo izany tao amin'ny Fiangonana Katolika Faravohitra... dia tao Ambanidia no natao ny koranam-pianakaviana. Nahafaly koa fa anisan'ny tonga nanotrona azy tao i Ny Eja nanolotra tononkalo iray nandritra ny fanaovan-tsonia. Dia nifokofoko nitomany hono izy nandritra ny fanaovan-tsonia :-) (donto tsss).
[ratatoy suite]

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry