Fampidirana sary tsotsotra

2007-10-01 @ 15:23 in Fampianarana

Ity dia fomba anakiray hafa fampidirana sary izay sady mandeha eto amin'ny blaogy.com no mandeha any @ blaogy.org

- Voalohany indrindra aloha dia mila tafiditrao amin'ny internet ilay sary, andao atao hoe nampidirinao ao amin'ny flickr.com ilay izy

[Tsindrio ny sary raha tsy hita tsara] 

- Sokafy ilay toerana misy ny sary avy any amin'ny flickr

 

- Apetraho eo ambonin'ilay sary ny souris dia tsindrio ny bouton havanana dia tsindrio ilay hoe "Propriétés" (Ny ahy teny italiana :-) )

 

- Raiso ilay adiresin'ilay sary araka ny hitanao amin'ny sary eto ambany dia selectionner-o (izany hoe tsindrio eo alohan'ny soratra voalohany ny souris dia tazomy dia akorisay mankamin'ny havanana indrindra aorian'ny soratra) dia avy eo copier-o (Tsindrio ny CTRL + C) izany hoe tsindrio aloha ny bouton Ctrl eo amin'ny clavie dia aza esorina ny tanana fa tsindrio indray ny C eo amin'ny clavier.

 

- Miverena amin'izay ao amin'ny toerana fanoratana eto amin'ny blaogy

 

- Tsindrio ilay sary kely   dia hisokatra ny toerana fampidirana sary

 

- Tsindrio eo amin'ilay hoe Image URL dia coller-o ilay adiresin'ny sary tary aloha na CTRL + V (Izany hoe Tsinidroi ny Touche Ctrl dia tazomy eo dia tsindrio indray ny touche V). Tokony ho hitanao eo ny adiresin'ilay sary.

 

- Tsindrio amin'ilay ilay bokotra hoe [Insert] izay mampiditra ny sary eo amin'ny toerana fanoratana

 

- Azo alehibiazina na akelezina ny sary araka izay ilainao rehefa avy eo. Jereo fa misy efajoro kely 8 amin'ny zorony sy riran'ny sary dia azo raisina amin'iny dia akelezina.

 

 

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry