Ny Ainga - Revy mbola milay

2007-12-03 @ 12:08 in Kanto

Nandritra ny fialan-tsasatra tany Madagasikara farany teo dia ny tarika Ny Ainga no hitako hoe artistam-bahoaka (dika tsotsotran'ny hoe populaire) indrindra. Koa angamba rariny raha asiana resaka kely eto amin'ity blaogy ity androany.Taloha aho dia mba tia ny hiran'i Ny Ainga koa toa ireo tovolahy sy tovovavy nitovitovy sokajy, saranga, taona, revy tamiko. "Revy milay"... izay foana no malaza. Nanenjika ny rindran-kira natao tao Antananarivo. Nanana horonam-peo K7 Ny Ainga. Ny antony angamba dia noho ireo hirany izay mikasika ny fiainan'ny tanora nitovy taona sy sokajy tamiko mivantana. Hamafisiko foana ilay sokajy satria misy olona tsy mety tafiditra ao amin'ireo mpitia hiran'i Ny Ainga. Ny Ainga

Ireo tsy tia ny tarika Ny Ainga dia mahita hoe tsy miova style mihitsy ry zareo. Izy mantsy no anisan'ny tarika malagasy miangaly "Country" ka ny ankamaroan'ny hirany dia toa hira amerikana tamin'ny andron'ny Western. Ry zalahy rahateo mampiseho izany amin'ny fitafy. Tsy ireny ihany anefa no hirain'i Ny Ainga. Anisan'ny tena nalaza sy heno tamin'ny radio foana ohatra tamin'izany ny "Tsy misy toa anao" sy ny "Ilay voalohany". Hira milamindamina fa nampihetsi-po an'ireo miala sakana. Nisy koa anefa ny hira tena Malagasy sy ireo hira politika tahaka ny "Veloranon'Iarivo". Ary ny hiram-pivavahana izay tonga hatrany am-piangonana, tahaka ny "Fo torotoro" sy ny "Dera sy laza".

Fa nandritra ny dia farany tany Madagasikara teo dia hita fa mbola "etsy sy eroa"  (omniprésent mihitsy) ny tarika Ny Ainga. Mandeha anaty taxi-be na taxi-brousse ianao dia tsy maintsy misy foana hiran'i Ny Ainga. Ny sasany aza mihaino Ny Ainga en boucle. Amin'ny Radio dia mbola miverimberina ilay "Fitiavako masiaka" sy ny "Revintsika roa". Teny amin'ny RN1 sy ny RN7 izay nandehanako dia misy Afisy vitsivitsy milaza ny handalovan'ny tarika Ny Ainga. Ary angamba raha atao ny kajy dia ny tarika Ny Ainga no manao fampisehoana be indrindra, raha ny isany fotsiny no jerena, hatramin'izay 10 taona niforonany izay.

Raha ry mpikambana ao amin'ny tarika indray no asiana teny kely. Toa lany depiote indray i OM-GUI tamin'ity. Mandat faharoa izany io. I Patty, ilay feo voalohany, dia niala ary i Assinah sa Hasinah indray no misolo azy (tian'i zandrinay vavy be io). Ny hafa tsy haiko.

Jereo eto ny video 20 mahery misy hiran'i Ny Ainga 

Jereo eto ny momba ny tarika ao amin'ny tononkira.serasera.org

Jereo eto ny hirany rehetra ao amin'ny tononkira.serasera.org

Jereo eto ny hirany azo alahatra sy henoina ao amin'ny radiovazogasy.com

bombs_button_green.png

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry