Sarintava ao amin'ny serasera

2008-07-08 @ 00:31 in Serasera.org

Dia vita androany ny andrana momba ny fampiasana sarintava eto amin'ny serasera. Amin'izao fotoana izao dia ny forum ihany no misy azy fa hiitatra eo anivon'ny takelaka mampiasa solonanarana serasera iray manontolo.

Inona ilay sarintava? Sary fa tsy sarona :-) nalaina tamin'ny kilalaonteny hoe avatar - ar-tav - sarintava :-)

Aiza no misy azy? Jereo ao amin'ny Mombamomba anao ao amin'ny serasera izany hoe http://namana.serasera.org/izaho dia ovay ilay efa ao :-). Raha toa ka tsy tianao hiseho any amin'ny lisitry ny sary ny sary hakanao ny sarintava dia ataovy sary manokana (ho an'ny namanao manokana)

Tokony ho tsotra ny fanamboarana sarintava fa andraso aloha hojerena ny vokany. Raha sarotra dia hazavaina eto ihany.

Takelaky ny sarintava

http://avatar.serasera.org

Te hijery sarintava vitsivitsy?

Ireto misy sarintava vitsivitsin'ny namana mpi-blaogy. Miova ho azy ireo rehefa mampiditra sarintava izy. Iza ary ireo oooo :-)

Sombiny ihany ireto fa sao dia feno ny tabilao.

                               

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry