Tantara vokarin'ny Radiovazogasy

2009-10-26 @ 08:05 in Serasera.org

Araka ny fandaharana ao amin'ny Radiovazogasy.com dia hisy tantara isaky ny alarobia voalohan'ny volana sy fahatelon'ny volana amin'ny 8 ora sy sasany alina. Ny mampiavaka kely ity indray mitoraka ity dia namana vitsivitsy ao amin'ny serasera ihany no hamelona ny tantara. Izay voaantso aloha no efa mikofokofoka ao fa mbola maro ireo nanolo-tena no mbola vao hifandaminana ho amin'ny volana manaraka. Raha ohatra moa ka mbola manam-paniriana ny hanatevin-daharana ianao dia azo atao ny mifandray amin'ny contact@radiovazogasy.com mampindrana ny feonao. 

Ao Paris ao amin'ny StudioDiffusion.com no anaovana ny fakàna feo ho an'izay mazoto sy afaka amin'izany. 

Raha toa koa ka manana tantara voasoratra ianao, na tantara efa voarindra dia vao mainka tsara fa mifandraisa hatrany amin'ny contact@radiovazogasy.com  

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Mey 2025 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
      1 2 3 4
5 6 7 8 9 10 11
12 13 14 15 16 17 18
19 20 21 22 23 24 25
26 27 28 29 30 31  
Rohy
  • Blogroll
Tahiry