"The tourist" (2010) Ao tsara

2011-03-29 @ 07:59 in Sarimihetsika

Na dia volana vitsivitsy aty aoriana aza dia miezaka mihitsy aho tsy miraty (teny Gasy avy amin'ny teny hoe mi-rater :-p) ny sarimihetsika lalaovin'i Angelina Jolie. Efa mikarakara an'ilay hoe "Cleopatre" izy fa amin'ny 2013 vao mivoaka, ka any indray isika mahita azy raha tsy tonga amin'ny 2012 ny farandro.Ny hitako farany androany taorian'ilay Salt (2010) dia ilay The tourist (2010). Misy mpilalao sarimihetsika fanta-daza maro ary teto Italie no nanaovana ny ankamaroan'ny nanodinana azy... tao Venise no marimarina kokoa. Johny Depp no mpilalao lohalaharana tao, fa nisy an'i Christian De Sica sy Raoul Bova koa ny Italiana.

Ny tantara dia ao tsara, suspense hatramin'ny farany na dia efa azoazoko antsaina hatramin'ny voalohany ihany aza ny mety ho farany (fahazaran-dratsy). Azo jerena fanindroany afaka herintaona any.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry