Toa izao ny revinay ao amin'ny karajia

2011-10-20 @ 06:34 in Serasera.org

Ny karajia.org dia toerana iray ifanoratana mivantana. Misy olona maromaro, efitra maromaro, zavatra azo atao maromaro. Misy olona foana ao na dia alina be aza satria tsy mitovy ny ora... fa ny tena maha be olona dia amin'ilay maraina amin'ny 10 ora ao Madagasikara sy amin'ny 3 tolakandro ao Madagsikara iny. Ny antsoiko hoe karajia eto dia ilay resaka mivantana na chat (Vakiana hoe "Tchatte" sy hagasian'ny namana hoe tsaty).

alt

Tamin'ny 2002 aho no efa nanomboka ni-karajia... efa ho folo taona. Talohan'io mantsy dia efa nanafitafika tao amin'ny Caramail sy tao amin'ny voila.fr tao. Nony avy eo dia nanapakevitra hoe hanangana efitra manokana mba azo gasigasiana tahaka ny serasera.org rehetra. Dia nialokaloka tao amin'ny epiknet.org ny efitra #serasera nandritra ny taona maro. Be dia be ny ankizy efa nandalo tao, ny sasany (aminay) efa lehibe amin'izao. Ny sasany aza moa antitra tao... sa efa antitra vao niditra tao? lol 

Tamin'ny janoary 2010 dia naka lohamilina manokana ho azy ny karajia dia io izy mbola mandeha tsara io. Be mpisompatra rehefa mitokana satria ny an'ny Gasy matetika rehefa misy Gasy manao zavatra dia andramana simbaina aloha... fa ny an'ny vazaha nandritra ny taona maro teo tsy kitihina :-). Na izany aza nefa dia efa milamina ihany amin'izao. Nanampy nanatsarana sy nanavaozana ny milina koa ny mpanafika.

Dia ao izahay izao, ankizy (fomba fiteniko foana ilay ankizy fa efa lehibe ihany izahay) miisa 30 ka hatramin'ny 70 na 80 eo no miaraka miditra sy mifamotoana ao isanandro. Miresaka ny zavatra rehetra... na tsy miresaka koa fa mamaky... na tsy mamaky koa fa mihainohaino ao fotsiny. Eritreretina ho toa ny tokotanibe iray ipetrapetrahan'ny olona maromaro. Misy miresaka, misy mihaino, misy mandehandeha, misy matory. Rehefa te hiteny dia miteny henoin'ny rehetra. Raha te hiresaka manokana amin'ny olona iray dia afaka manao izany koa. Raha te hilalao dia mihodina kely ao amin'ny efitra filalaovana maromaro (misy #motus, #scrabl sns). Raha tsy tamana eo antokotanibe dia afaka manokatra efitra vaovao (manoratra /join #efitra fotsiny dia tafiditra ao amin'ny efitra vaovao) dia ao indray no manoko resaka.

Raha te hiresaka aminay na te hijery anay miresaka dia mandalova ao amin'ny http://karajia.org

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry