Pikla amin'ny alina

2006-04-29 @ 12:35 in Tsiaro

Ato amin'ny sokajy hoe "Tsiaro" isika. Ity sokajy ity no ametrahako ireo zavatra vitsivitsy tadidiko hatramin'izao. Ny hanombohako azy dia resaka pikla... taxi.Tsy haiko na mbola toa ny tamin'ny andronay :-) ny mi-pikla (mitondra taxi) amin'izao fotoana izao. Nisy tokoa ny fotoana izay nanaovanay pikla. Izahay mantsy tsy mba mpanankarena ary ny fiainana sarotra, ka na dia nanana ny asany aza i Papa dia tsy maintsy nampiasaina ny tomobil. Tamin'ny voalohany aloha dia nanakarama saofera, ingahy Raymond, fa tena tsy nahatratra versement foana i leiry. Tsy maintsy mahita excuses foana. Farany dia nanapa-kevitra i papa hoe horaisinay an-tanana ny vam. Izaho mbola tsy ampy taona ka tsy afaka nitondra sy nanana capacité. Nefa aho nanana fotoana bedabe mihitsy satria ilay mbola nihainohaino hiakatra eny ankatso. Vao afaka bacc kanefa tsy afaka nanao SN satria tsy ampy taona. Mbola kamo be hianatra dia manja ilay hoe hi-pikla.

Koa satria i papa maraina no miasa any am-piasana, ny après-midi matory... dia ny alina izahay mi-pikla. Expériences nahafinaritra nandritra ny volana maromaro ilay izy satria dia nahita ny fiainan'Antananarivo isaky ny alina. Toa izany ny fiainan'ny mi-pikla amin'ny alina. Misy ny zavatra mampihomehy, ny zavatra mampalahelo, ny zavatra mampatahotra, ny zavatra mahaliana sns.

Tsy nanomboka ela akory izahay dia efa zatra ny alin'Antananarivo. Nanjary haiko tsianjery ny tanàna... fa izany hoe amin'ny alina ihany aho tsy very fa raha vao tonga ny atoandro dia tsy haiko intsony ny 67ha atsimo sy avaratra. Amin'ny alina anefa arako daholo, Ambodimita, Andranomanalina, Bekiraro, Ambodinisotry, Mahazoarivo... sy ny toerana hafa toa an'Ilanivato, Ampasika, Ambohitrakely, Soavimasoandro sns...

Nisy toerana izay fijanonanay ka teo ny olona no tonga ary entina any amin'izay toerana tiany haleha... dia toa izany hatrany. Teo amin'io toerana fijanonanay io, isaky ny amin'ny 3ora maraina any ho any dia misy tovovavy iray mpivaro-tena izay mamo foana. Tsy haiko izay fomba nataony talohan'ny nahatongavanay teo amin'io toerana io... fa nony tonga teo izahay dia nanatona anay izy nangataka ny haterina mody. Dia toa izany hatrany isanandro. Indraindray izy mandoa vola, rehefa metimety hono ny tantana, fa indraindray dia aterina fotsiny. Mamo hatrany izy amin'izany fotoana izany. Matetika izy no aterinay farany alohan'ny hodiana. Fa nisy fotoana izay, volana maromaro taty aoriana, fotoana farany nahitanay azy, tsy mamo izy. Noheverinay fa tsy mbola hody izy satria mbola tsy mamo. Saingy niakatra toa ny fanaony sy niteny mba haterina toa ny mahazatra izy. Tsy aritro fa nanontany aho raha ara-dalàna ny zava-drehetra. Ie, hoy izy, nety beeee ny tantana... sady nohamafisiny tsara ilay hoe beeee. Saika mbola hanontany lalindalina aho fa ohatran'ny noraràn'i papa tamin'ny fijeriny hoe fiainan'olona izany. Dia niezaka naminavina antsaina fotsiny izay tantana nety tany aho. Angamba nahazo kil nanome fanantenana sy fitiavana izy... asa. Nony tonga teo amin'ny toerana fametrahanay azy dia nanolotra anay ny saran-dalana mihoatra lavitra noho ny mahazatra izy. "Tsy mahaloa ny trosako ity, hoy izy, fa mba ataoko metimety fotsiny androany... dia mazotoa daholo." Nifanao veloma izahay dia izay no nahitanay azy farany.

Betsaka ny zavatra nampatahotra tamin'ireny alina ireny. Heno ihany mantsy ny resaka fanendahana ny mpi-pikla. Imbetsaka izahay no mandà raha vao lavitra loatra, na toerana tsy dia atokisana. Misy fotoana dia tazomiko eo amin'ny plancher ny manivelle rehefa mitondra olona... mba miaro tena hono. Nisy indray mandeha nametraka olona teny Ambohipotsy, bandy iray izay, dia tonga i leiry dia nivoaka fotsiny tsy nandoa vola... dia nitsotsorika tany anaty bozaka tany. Iza no hanaraka any? Fa ny tena tsy afaka tao antsaiko dia i Gena sy ny akamany. I Gena dia bandy mpanendaka avy eny Soanierana. Nampihorohoro mihitsy i leiry saingy tsy mbola tratra ambodiomby moa ka tsy nisy azo atao. Indray alina ary, sendra tafajanona teo amin'ny tetezan'i Behoririka, Ankadifotsy, izahay. Avy nandeha lavitra ka nanararaotra ny hazavana nanokatra capot. Izaho naka ny toeran'i papa teo amin'ny volant fa i papa kosa nijery ny motera. Tampotampoka teo indreny nisy dimy lahy nanatona. Tao anatiny i Gena. Ny iray tonga dia niditra tao anaty vam teo anilako, ny iray nijoro teo akaikiko teo ivelany, ny roa teo ankavia sy ankavanan'i papa tao aloha tao. Ary ny iray dia i Gena tonga farany saika hamely an'i papa. Nitodika aloha i papa, niarahaba sy nanontany hoe inona no blem? Ie, izay mihitsy no noteneniny "Ahoana zalahy a, inona ny blem?"... ilay bandy tetsy akaiko no niteny hoe Tsisy blem baina a. Tampoka teo niantsoantso tao aloha tao i Gena : "O ry zalahy a, i ... ity" sady notononiny ny fiantsoana an'i papa (tsy ny anarany). Gaga ry zalahy teo akaikiko ka nandeha tao aloha tao. Naverin'i Gena indray "Tena i ... ity." I papa amin'io tsy mahafantatra, fa nody nahafantatra haingana :-) : "ie, zah ity kah, izay anie no nanontaniako hoe inona ny blem e." "Tsy misy kah", hoy ry zalahy somary saikatra, "saika nikarakara teto fotsiny izahay kay nareo"... dia iny ry zalahy nikisaka tsikelikely nanao veloma. Izaho tamin'io efa nihidy mihitsy. Tsy hita akory ny nanidian'i papa ny capot dia iny izahay no nody... mbola nangovitra ihany aho na dia tany antrano aza nitantara tamin'i mama ny zava-nisy. Herinandro vitsivitsy taty aoriana dia hitanay tamin'ny gazety Midi fa maty voatifitry ny polisy i Gena be an'i Soanierana.

Betsaka ny zavatra iainan'ny mpi-pikla amin'ny alina... ny makorelina ny client-n'ny makorelina izay nentinay ihany koa, olona manan-kaja ny ankamaroany. Imbetsaka koa izahay no nitondra artista amin'ireny alina ireny. Vazaha sy gasy.

Fa ny tsy azo adinoina koa dia ny polisy. Efa sarotra tokoa angamba ny fiainana fa tsy maintsy manotra foana ry zalahy. Tamin'ny voalohany aloha, mbola tsy zatra anay angamba ry zalahy, dia tsikiloviny hatrany amin'ny farany anatiny indrindra ny taratasiin'ny fiara. Tsy maintsy ahitany hirika hoe misy olana foana. Ary rehefa mamaly ianao, ka tena tsisy olana mihitsy ny taratasy, dia mangataka ry zalahy amin'ny farany... "Mba omeo kafe kely any sefo o". Dia toa izany foana isan'alina. Raha vao hitandry zalahy izahay dia miala any ny "Mba omeo kafe kely." I papa moa be fiantrana :-) ka manome foana... ry zalahy koa aza hono mba miari-tory, mila kafe.

Mbola betsaka ny tsiaro momba ny pikla... fa nahafaly ahy ny niaraka tamin'i papa nandritra io expérience iray io. Volana maromaro no nanaovanay an'io dia niditra teny Ankatso aho dia najanona.
 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry