Anaram-bala ".mg"

2012-08-21 @ 08:26 in Blaogy Dev, Informatika

Mba hahafahanao manana toerana manokana amin'ny internet tsy miankina amin'ny anarana hafa (ohatra hoe facebook na google sns) fa anarana tianao sy fidinao manokana dia tsy maintsy manana ilay hoe "Anaram-bala" ianao (nom de domaine). Ny blaogy.com ohatra dia anaram-bala iray ary ny hery.blaogy.com dia zanak'anaram-bala na zana-bala iray (sous domaine).

Ny ankamaroan'ny anaram-bala dia miankina amin'ny firenena. Ohatra hoe ny poste.fr dia Paositra ao Frantsa, ny belgacom.be dia momba ny fifandraisan-davitra ao Belzika, ny tim.it dia orinasan-telefaonina eto Italia. Dia toa izany koa, misy ny atao hoe ".mg" (antsoina hoe teboka mg na point mg na dot mg) izay ho an'i Madagasikara.

Efa manomboka miha-malaza amin'izao ny adiresy ".mg". Hitako fa efa ifandrombahan'ny vazaha ihany koa satria betsaka ny site vazaha izay efa miafara amin'ny .mg rehefa miresaka momba an'i Madagasikara. Ny olana matetika amin'ireny anarana ireny nefa dia ny halafosany. Raha manana fandraharahana na orinasa any Madagasikara aloha dia tsy dia ho olana loatra fa ho an'ny olon-tsotra izay somary voafetra ihany ara-bola dia voatery mihafy amin'ny zana-bala (sous-domaine) maimaim-poana etsy sy eroa izay tsy mahafehy tsara ny anarana tiana havoaka. Ao amin'ny ovh.com fotsiny ohatra dia mahatratra efa ho 150,00 Euro isan-taona ny hofan'ny anarana ".mg"

Soa ihany fa efa misy ny Malagasy izay mpampiantrano sy mpivarotra ny anaram-bala ".mg" amin'ny vidiny takatry ny sarambaben'ny Malagasy. Anisan'izany ohatra ry zareo ao amin'ny dot.mg. Ny anaram-bala ".mg" ao amin'ny dot.mg amin'izao fotoana anoratana izao ohatra dia 70.000 Ar isan-taona (dia hitako ao koa hoe raha toa ka mandritra ny 5 taona no aloa dia lasa 49.000 ariary isan-taona ilay izy). Koa satria any Madagasikara no misy azy io dia mampiasa ny fomba fandoavam-bola amin'ny varotra any Madagasikara ry zareo (m'vola, banky, omena tànana sns).

Koa raha mbola tsy manana nefa te hanana ary dia makà. Saingy jereo ihany ny tolotra gasy fa mora dia mora mitaha amin'izay omen'ny vazaha.

dotmg ohatra

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry