Fitehirizana sary, flickr, picasaweb

2013-03-06 @ 13:25 in Informatika

Olona tia mampiasa fakantsary aho ary tia maka sary. Tsy tena mahay maka sary nefa fa ilay mitahiry sary sy mijery azy rehefa aty aoriana be no mahafinaritra ahy. Ity lahatsoratra fohy ity dia fizaràna ny fomba fitehirizako sary amin'ny internet, sy ny fikafika madinika mety mahaliana an'ireo izay te hitahiry sary amin'ny internet. Marina mantsy fa manana disques, flash, cd, dvd, sns isika kanefa hafa ihany ny mitahiry sary amin'ny internet. Azo jerena n'aiza n'aiza, mora tadiavina, azo zaraina ho hitan'ny hafa.

Flickr 

Hatramin'izay dia Flickr no ampiasaiko rehefa maka sary ka mitahiry izany amin'ny internet. Ny yahoo no tompon'ny Flickr ka raha te hampiditra sary ao amin'ny flickr izany dia mila manana kaonty Yahoo. Mahafinaritra ny mampiasa Flickr ary betsaka ireo mpaka sary matihanina izay mampiasa azy hitehirizana sy handaminana sary. Maimaim-poana ny fananana kaonty Yahoo sy flickr. Afaka mampiditra sary avy hatrany ianao raha vao manana kaonty. Raha mampiasa ilay kaonty maimaim-poana ianao dia eo amin'ny 300 MB isambolana eo ihany ny sary azonao ampidirina, ary ny sary miseho dia ny sary 200 nampidirina farany. Tsy very nefa ireo sary nampidirina taloha fa voatahiry ao ihany ka mila miditra kaonty Pro ianao raha te hahita azy. Raha toa ka te hampiasa ny tolotra rehetra ianao ao amin'ny Flickr izany ianao dia mila miditra amin'ilay hoe kaonty Pro izay misanda 24 USD (na 20 Euro eo ho eo) isan-taona. Io no mamela anao hanana tahirintsary tsy voafetra. 

Raha te hanana tahirintsary tsy voafetra kanefa tsy manana ilay 24 USD isantaona ao amin'ny flikr ianao dia mila mampiasa fikafika kely toa izao. Manokatra blaogy na toerana iray izay ahafahanao mametraka lahatsoratra sy sary avy amin'ny internet. Dia isaky ny mampiditra sary maromaro ao amin'ny flickr dia apetraka ho lahatsoratra vaovao ao amin'ilay blaogy ireo rohy mampiseho ny sary. Koa satria ny flickr dia tsy mamafa ny sary na dia tsy Pro aza ianao, dia azonao jerena ao amin'io blaogy io foana izany ny sary taloha na dia mihoatra ny 200 aza. Mazava ho azy, tsy afaka mampiditra sary mihoatra ny 200 indray mandeha ianao satria manjary tsy hita ho adika ny rohy misy ny sary mihoatra. Misy fitaovana kely nataoko ao amin'ny takelako hahafahanao misintona ny rohy misy ny sary 200 farany nampidirinao.

Picasaweb 

Ankoatra ny flickr dia misy fitehirizana sary hitako malaza ihany koa izay an'ny Google. Ny mahatsara itony tolotry ny ngezalahy toy ny Google sy Yahoo itony dia azonao antoka fa haharitra ilay tolotra fa tsy ho rava vetivety. Ny google dia mampiasa ilay hoe picasaweb ka mila manana kaonty Google ianao rehefa hanokatra fitehirizan-tsary ao. Mitovy amin'ny tolotra fitehirizana sary ataon'ny flickr ihany no ataon'ny picasaweb. Misy tahirintsary sy fitadiavana sary, ary maimaim-poana. Anisan'ny mahaliana ny Picasaweb dia ny fifandraisany amin'ny Google+. Mora dia mora ny mizara ny sary ho an'ny hafa sy ny fifandraisana amin'ny hafa an-tsary. Eo koa moa ny fitaovana antsoina hoe Picasa  izay tena manamora ny fampidirana sary avy ao amin'ny ordinatera mihitsy. Ny fetra ho azy fotsiny dia 5Gb ihany no toerana omeny anao. Raha manana sary betsaka izany ianao dia tsy afaka mampiditra sary intsony raha vao feno ny 5Gb fa tsy maintsy mividy toerana betsaka kokoa. Ny toerana dia 2,49 USD isambolana ho an'ny 25 Gb Jereo eto 

Ny fikafika amin'ny picasaweb indray dia tsy misy afatsy ny mamorona kaonty maromaro. Azonao atokana mihitsy tsy misy ifandraisany amin'ny kaonty google ampiasainao ny kaonty sary. Ohatra hoe hery_album_1 dia rehefa feno iny dia miditra amin'ny hery_album_2 sns. Amin'izay dia manana 5 Gb isaky ny kaonty ianao.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry