Mofo tsy sakay sy labiera

2013-03-07 @ 22:52 in Sakafo

Mba manao resaka sakafo indray. Tamin'ny asabotsy no nanaovana ity mofo ity. Mofo sakay no fiantso mahazatra azy saingy tsy nasiana sakay mihitsy satria tsy mahazaka sakay ny tenanay. Natao somary matevina ny pâte amin'izay tsy mitroka menaka be loatra... mbola antony ara-pahasalamana ihany. Fa niavaka kely tamin'ny zavatra fahita tany madagasikara no natao.

  • Labiera 1 tavoahangy no nandevonana ny lafarinina 1 kg. Tsy nasiana rano mihitsy aloha fa rehefa tena hita hoe maina dia notampohina rano matimaty mandraparihitra.
  • Ny fangaro taminy dia aubergine, brocolletti, tongolo maitso, katsaka lena. Tsy nandrahoina mitokana ireo fa mbola iny manta iny mihitsy no narotsaka tao anatin'ilay pâte voalaza etsy ambony.
  • Sira tsy atao betsaka, dia asiana karibonetra kely.

Mofo sakay Mofo sakay

(Tsindrio ny sary hihalehibe)

Dia nendasina dia vita... Tsy nila filirony hafa. Tsy atao mamay be ny menaka, nefa tsy avela hangatsiaka koa satria manjary trohin'ilay mofo.

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry