Malagasy voafitaka

2014-03-14 @ 16:12 in Fiaraha-monina

Tandremo sao voafitaka ianao fa heno izao fa efa Malagasy maro no voafitaka tsy misy indrafo, lehilahy no ankamaroany, ary rehefa tratrany dia mijafajafa mihitsy. Tsy Malagasy ihany fa ny vazaha koa indrindra indrindra. Amin'ny voalohany aloha ianao ampisehoany zavatra mbola tsy hitanao mihitsy toa tena mahaliana kay fitaka... (Teny fampidirana fotsiny io mba hiseho eo amin'ilay teny famintinana any amin'ny facebook)

Fitaka voalohany. Tato ho ato tokoa dia misy sary miendrika video (tahaka io napetrako io) izay milaza zavatra manintona be tsy mampino mihitsy (insolite hoy ny vazaha) dia rehefa liana be ianao - satria ny olona dia liana amin'ny zavatra tahaka izany - ka manindry ilay sary dia manokatra takelaka hafa izy (tahaka ity nanjo anao ity, saingy ity mba fampitandremana) ary mba hahitanao an'ilay video dia tsy maintsy manindry "Tiako" na mizara ilay "vaovao" ianao. Ny 99% dia tsy mety mahita an'ilay "vaovao" akory ianao fa nataony fitaovana fotsiny hanaparitaka ilay "vaovao" tsy marina. Tandremo :-)

Fitaka faharoa. Ny vaovao eto amin'ny internet dia azo amboarina avokoa. Tsy milaza nefa izany hoe noforonina daholo. Saingy ny hahafantarana hoe tsy noforonina ny vaovao dia betsaka kokoa ny loharano marim-pototra milaza azy. Ohatra hoe ireo gazety sy fahitalavitra vaventy. Raha toa ka site iray na vitsivitsy no manaparitaka vaovao, indrindra hoe vaovao goavana (tahaka ilay hoe maty talohan'ny fotoana i Mandela), dia hosoka izy izay. Satria tokoa fomba ahoana moa no tsy hifanotofan'ny mpanao gazetin'ireny sampana fampahalalam-baovao goavana ireny an'ilay vaovao raha tena nisy tokoa?

Fitaka fahatelo. Raha hilaza ianao hoe misy sary sy video porofo. Ny video sy ny sary eto amin'ny internet dia azo amboarina sy azo foronina avokoa. Indro ohatra horonantsary iray izay miendrika fitrandrahana siantifika mikasika ny herin'aratra. Raha dinihina dia tena toa siantifika maromaro mihitsy no namoaka ilay vokatry ny fikarohana ary misy fanaporofoana siatifika izay toa mandresy lahatra. Nefa dia tsy marina mihitsy ilay izy ary horonan-tsary natao hanaporofoana mihitsy hoe tsy marina avokoa izay mivoaka amin'ny internet.

Défi(-taka). Rehefa tsy voafitaka ianao dia aza avela ho voafitaka ny hafa. Izay no fanamby (défi). Défitaka. Rehefa misy fitapitaka tahaka ireny dia ilazao avy hatrany ny hafa hoe fitaka io. 

Fehiny. Raha tonga teto amin'ity takelaka ity ianao vokatr'ilay sary mitranga eo ambony io ka mbola nahavaky hatreto ambany eto dia aza tezitra amiko fa tsy tena hamitaka no tanjoko fa hampatsiahy amin'ny fitaka mety mitranga. Dia andramo aparitaka anie fa betsaka koa no ho voafitaka sy ho tonga saina rehefa avy eo e. :-)

Tsiky dia ampy

Vakio koa ny lahatsoratr'i Jentilisa: Ireo Fitaka Isarihana Anao

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry