Katolika.org, ireo fanavaozana

2014-04-07 @ 18:56 in Finoana sy Fivavahana

Zavatra tsy misy idiran'ny lohahevitra aloha. Fantatrao ve hoe firy ny isan'ny namako ao amin'ny Facebook? (Dia firy amin'ireo ny katolika?) :-) Amin'zao dia 4980 ny namako ao amin'ny FB ary betsaka no mbola tsy nekena satria tsy atao mahatratra 5000 fa manjary tsy afaka misy miditra intsony. Misy ny hiteny hoe tsy tena namana izany, misy ny hoe izahay koa mahavita fa ny anay tsy tia namam-bomanga fotsiny sns. Fa ny ahy ny namako tazomiko amin'io 5000 latsaka io ary tsy asiana fanadiovana izany fa avela hifangaro ao daholo ny tany misy vatovato, ny tany misy tsilo, ny tany misy kirihitr'ala ary ny tany lonaka. Iray volana latsaka mantsy izay dia namorona takelaka facebook anakiray aho izay hitanao eto kahatramin'ny androany dia mbola 553 no nanao hoe "Tiako" na "J'aime" na "Like". Izany hoe 10%-n'ny namako. Andao atao hoe ho an'ny katolika irery io dia 10%-n'ny namako izany no katolika? tsy haiko... fa raha te hanao j'aime ianao (na tsy katolika aza) dia tsindrio eto dia tsindrio ny "J'aime" sns.

Fa ny tena lohahevitra tiana holazaina dia hoe nohavaozina ny vohikala katolika.org ary natsangana niaraka tamin'izay fanavaozana izay koa ilay takelaka facebook katolika.org voalaza tetsy ambony io. Ka hilaza ny zava-baovao vitsivitsy aho mba hotehirizina ato amin'ity blaogiko ity.

katolika.org

Voalohany aloha dia

momba ny endrika. Ankoatry ny endrika ivelany izay somary milamina kokoa noho ilay taloha dia azo vakiana soa amantsara amin'ny finday koa ny katolika.org. Io ilay antsoin-dry zareo vazaha hoe "Responsive", izany hoe afaka mamaly ny filàn'ny mpitsidika.

Faharoa dia momba ny votoatiny. Noezahina nampitomboina ny votoatiny ary natao mifanaraka amin'izay mety ho ilain'ny mpitsidika. Ny katolika.org mantsy dia natao indrindra mba hampahafantatra ny finoana katolika ho an'ny katolika aloha voalohany indrindra, izany hoe fanabeazam-pinoana, fa avy eo koa ho an'ireo hafa finoana izay liana amin'ny finoana katolika. Ny tanjona dia ny hamaly ireo fanontaniana mateti-pitranga eo amin'ny katolika, na avy amin'ny Katolika izany na avy amin'ny mpino hafa.

Fahatelo dia ny fiainam-pinoana isanandro. Ankoatra ny vakiteny isan'andro izay efa nisy teo aloha dia ezahina apetraka ihany koa ny hafatry ny Papa isan'andro amin'ny Twitter ka atao amin'ny teny malagasy izany. Eo koa ny olomasina isan'andro izay manampy betsaka amin'ny fiainam-pinoana ny fahafantarana ny tantarany.

Ary ny farany izay resaka teknika kokoa dia ny momba ny hafainganana. Malaky kokoa noho ny teo aloha ny milina satria nohavaozina sy nohamaivanina kokoa. 

Ireo fanavaozana rehetra ireo dia mila fiaraha-miasa indrindra ho antsika katolika izay maniry hampiroborobo io vohikala io. Tsy mitsahatra miantso an'ireo izay afaka hanampy izahay, na dia amin'ny fandikan-teny momba ireo tantaran'ny olomasina ihany aza. Koa raha misy vonona dia afaka mifandray aty aminay hatrany amin'ny [email protected] 

Isaorana be dia be koa moa ireo izay efa nanomboka nifanampy aminay tamin'ny lafiny rehetra.

"Ho tonga anie ny fanjakany"

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry