Hoy ny Papa... une très belle coupe du monde

2014-06-12 @ 10:10 in Fanatanjahan-tena

Fantatra fa tia baolina kitra ny Papa (avy any Argentine rahateo izy). Koa navoakany tamin'ny Twitter-ny androany hoe "Je vous souhaite tous une très belle coupe du monde de football, jouée avec un esprit de vraie fraternité". Fantatro fa maro no tsy maintsy hikiredy sy himenomenona, indrindra moa fa ny rahalahy sasany... efa betsaka rahateo ireo manopa ao amin'io twitter io (jereo etsy ambany) saingy ny hafatra dia hoe aza ariana miaraka amin'ny rano avy nandroana ny zazakely. Marina tokoa fa maharikoriko ny fomba fanaon'ny FIFA sy ny kolikoly ao anatiny. Marina fa tsy nety ny nataon'ny governemanta breziliana tamin'ny fandaniana mihoampampana nataony izay tsy mifandanja amin'ny tokony ho izy sy ny fari-piainana ao an-toerana. Kanefa ny baolina, baolina ihany, ary any Brezily izay nankafiziko (sy ianao koa angamba) amin'ny resaka kitra no hanaovana azy. Asehoy ny tsy fankatoavana ny fikarakarana, fa ny baolina kitra kosa dia efa nampiray hatramin'izay.

Baolina

Ny faniriako kosa dia mba ho tonga saina amin'izao zava-mitranga izao ny FIFA (ry Sepp sy ry Platini)... miha-tonga saina ny olona, mahara-baovao ny tanora. Koa raha tsy miova ny fomba fitantanana dia ho rava maina io amin'ny manaraka.

Raha ohatra moa ka sendra mitroatra ka tsy ho tanteraka hatramin'ny farany ity baolina indray mitoraka ity dia tsy maninona ihany koa. Ny hisavorovoroan-kilantoana.

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry