Volombatolalaka dimampolo karazana - Hijery?

2015-02-13 @ 08:37 in Sarimihetsika

Rahampitso ny 14 febroary (grrr mitontona asabotsy) ilay andro malazan'ny mpanao bizna isankarazany, manararaotra ny fo mafanan'ny tanora (sa ny antitra koa?) mirehidrehi-pitiavana. Saint Val tokoa rahampitso, val comme valeureux, lafolafo daholo ny zavatra rehetra mikasika ny fitiavana sy ny menamena. Val comme valable, satria dia valables daholo ny excuses rehetra voasaron'ny fitiavana. Val comme vallet... raha tena lehilahy dia misehoa :-) sa val comme vallée any an-dohasaha?

Fa ny tena resaka dia manintona mafy ilay film hoe "Fifty shades of grey" hivoaka rahampitso. Resaka tsy resaka momba azy eran'ny takelaka isan-karazany. Etsy ampitan'ny birao moa dia misy dokam-barotra goavana (io amin'ny sary). Ny tantara dia efa nivoaka boky tamin'ny 2011, nosoratan'i E. L. James mikasika ny fifandraisana lalina eo amina tovovavy mpianatra iray sy lehilahy mpandraharaha iray. Raha ny fahitana ny sombiny dia mafanafana ihany ilay izy ka tsy azo jerena miaraka amin'olom-pady... sao dia hoe fianakaviana iray manontolo no hijery film fa Saint Valentin.

Anisan'ny nampalaza ity sarimihetsika ity koa ny fisian'ireo dika hanihany (parodies) ataon'ny olona mikasika azy... misy an-jatony maro. Azonao jerena eto

Ito ary aloha ny sombiny dia ankafizo.

 

 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry