Anontanio ahy daholo...

2015-03-10 @ 21:30 in Sarimihetsika

Fampidirana kely aloha. Mijerijery blaogy maromaro aho (anisan'ny mahafinaritra ahy ny mamaky blaogy) dia mahita fa misy endrika vaovao tena miparitaka be amin'izao. Tsy mikasika ny votoatiny akory satria iny efa samy manana ny fomba fanaony, fa mikasika ny endrika ivelany, ny paozin'ilay blaogy mihitsy. Inoako fa vokatr'ilay resaka "responsive" ilay izy. Ny "responsive design" hono dia hoe ny fanaovana ny endriky ny vohikala na blaogy iray mba ho azo jerena amin'ny fitaovana maro samihafa... ordinatera, finday, tablety sns. Dia nalaiko ny finday, nojereko ny blaogiko fa tena tsy mbola responsive mihitsy. Ahoana tokoa moa no haha-responsive azy raha tsy atao responsive loll. Koa mieritreritra aho hoe hanamboatra endrika vitsivitsy responsive ampidiriko ato amin'ny blaogy.com ka raha mahaliana anareo dia afaka mampiasakoa ianareo.

Ask me anything

Fa ny tena resaka androany dia resaka sarimihetsika iray nahafinaritra... fa asa na mahasoa. Misy resaka blaogy indrindra indrindra. Marina fa sarimihetsika ho an'ny tanora (tanora zandriny mihitsy aza) saingy nahafahana nijery ny fiheverana iray momba ny blaogy. Ny lohateny dia hoe "Ask me anything" (2014). Amin'ny faran'ny tantara ianao vao tena mahita hoe inona marina no anton'ilay blaogy ary inona no tena nihafaràny. Somary nandiso fanantenana ilay fiafaran'ny tantara fa ny nataoko voalohany dia nitady tamin'ny internet sao dia tena tantara marina ilay izy... ary hitako fa tsy izaho irery no nanao toa izany.

Ho an'ireo izay nijery na hijery ilay sarimihetsika dia lazaiko eto fa ny ahy ny antony hanoratako blaogy (miala bala aho io) ankoatra ny hizaràna izay eritreritro amin'ny olona tsy fantatra na fantatra ao ambadika ao (izay mantsy no nataon'i Katie tamin'ilay sarimihetsika) dia nataoko ihany koa mba hitehirizana (hojereKO any aoriana) ireo zavatra mety nanintona na mahaliana ahy. Mandalo ny vaovao mitranga (sy ny tamba-jotra sosialy) ka izay mahaliana ahy rehefa manam-potoana kely aho dia soratako mba hitoetra :-p

Mazotoa indray :-)

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry