Zo hankahala... tsiky dia ampy

2006-05-18 @ 22:30 in Blaogy Dev

Taorian'ilay lahatsoratra nosoratako farany hoe "Je ne t'ai pas pardonnée" dia be dia be ny fanontaniana tonga taty amiko. Iza io? Fa nisy inona? Inona koa izany lolom-po izany? sns. sns..

Tiako aloha ny manamarika fa tena misy io fa tsy eritreritra mandalo fotsiny. Olona iray tena nandratra, tsy izaho irery no voakitika (satria raha izaho irery vitako ihany) fa ny olona izay anisan'ny nanan-danja teo amin'ny fiainako, sy ny namako akaiky, dia samy nahazo daholo. Tsy nampaninona ahy raha samy nijanona fotsiny tamin'izay nisy azy tany... fa ity izy nijaingijaingy niditra tampoka tsy nisy réparation-n'ny zavatra tsy nety teo aloha no tena naha-lagy sy nisehoan'ny fankahalana. Eritrereto toa ny olona nangalatra ny akanjonao, fantatrao tsara, dia manjavona any izy aloha. Dia rehefa kelikely dia tonga izy mamangy anao, sady mitondra ilay akanjo halatra, dia tsy misy resaka mihitsy noho ny zavatra nataony taloha... tsy hivonto ve ny orona? :-)

Ekeko, ratsy ny fankahalana. Ary ny to fo mpamosavy. Fa manana zo hankahala aho, raha heveriko fa hanampy ilay olona hivoatra amin'ny toe-tsainy sy ny toe-piainany ny fankahalako. Lasa fitiavana izy amin'izay mantsy. Ny ratsy natao dia mila fanamboarana (réparation) avokoa. Na eo amin'ny Fiangonana aza, tsy misy dikany ny konfesy raha tsy misy fibebahana marina ao anaty. Izany hoe vonona ny hihavana marina, vonona ny hamitrana indray ilay fihavanana tapaka. Misy fihekena fa diso (reconnaissance des torts) ao. Raha nangalatra no mibebaka dia atao aloha izay hamerenana ny zavatra nangalarina, sns.

Na mankahala aza aho dia mitsiky foana :-) 

Verindrohy (trackback)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry