Tandremo, ny mahery tsy maody tsy ela velona

2015-03-25 @ 10:48 in Tsy aritra

Tamin'ity herinandro ity dia in-telo no nisian'ny tranga izay efa fantatry ny ankamaroan'ny mpikirakira internet sy email kanefa ny roa amin'ireo tranga ireo dia nangatahana fanazavana tamiko ka inoako fa misy olona hafa izay mbola mety ho tratra ihany.

Ny tranga iray dia tahaka izao. Nahavoaray hafatra imailaka ity namana iray. Hafatra amin'ny teny frantsay misy sonian'ny "Yahoo" milaza hoe ho lany daty ny adiresiny ka tsy ho tafiditra intsony izy raha tsy mamaly ilay hafatra ka mandefa ny mombamomba azy (Anarana sns, hatramin'ny tenimiafina). Raha ny tokony ho izy dia tsy tokony hisalasala hamafa avy hatrany ny hafatra tahaka izany. Ahoana tokoa moa no hangatahan'ny Yahoo ny tenimiafinao? Saingy noho ilay hafatra niverimberina dia nisalasala ihany ilay ranamana ka nanontany. Ny tranga iray indray dia hafatra ho ahy mitovitovy amin'izany ihany saingy nisy tovana ("fichier attaché") pdf izay nasainy nosokafako. Nony nosokafana ilay tovana dia filazana hoe mety misy mampiasa ny adiresiko koa mila manova tenimiafina aho. Dia misy rohy hidirana ilay izy. Nony niditra tao aho dia mazava ho azy fa tsy site-n'i Gmail no ery amin'ny adiresy saingy mitovy kosa ny endriny. Ary misy fampidirana tenimiafina fampiasako sy ny tenimiafiina vaovao izay angatahany. Raha tsy mijery tsara dia mameno tokoa ka mampiditra ny tenimiafina teo aloha (izay mbola mandeha) sy ny tenimiafina tianao hampiasaina. Koa satria tsy site-n'i Google ilay izy dia lasany avy  hatrany izany ny tenimiafinao... ary rehefa hidirany ny kaonty dia hovainy avy hatrany ihany koa ka tsy tafiditra ao intsony ianao. Ny tranga fahatelo dia hafatra mangataka vola avy amin'ny adiresin'olom-pantatro. Saingy tsy ny adiresiko manokana no nandefasany azy fa olona maromaro. Ity olona ity angamba dia voa tahaka ilay tranga faharoa etsy ambony. Nidiran'ny olona ny kaontiny dia nandefasany fangataham-bola etsy sy eroa. Ny votoatin'ilay email dia tahaka ireny fomba fangataham-bola ataon'ny afrikana sasany ireny... saingy tamin'ity indray mitoraka ity dia amin'ny teny malagasy tsizarizary. Hita be hoe nadika tamin'ny fandikan-tenin'i "Google" ilay izy. (Jereo ny sary)

Tandremo ny sandoka

Koa ny lazaina angamba dia ny fahamalinana ihany. Tsy tokony hampidirina amin'ny sites hafa mihitsy ny tenimiafina. Alohan'ny hampiditra tenimiafina amin'ny site iray dia jereo tsara ny adiresiny fa sao dia site sandoka. Ary indrindra indrindra tsy tokony handefa tenimiafina amin'ny email izany satria tsy  hangataka izany amin'ny email mihitsy ny Yahoo na Google raha misy ilàny azy.

Dia mazotoa daholo

Fikafika vitsivitsy rehefa maka sary

2015-03-18 @ 17:07 in Kanto, Sary

Sendra hitako tao amin'ny Google+ ka zaraiko eto indrindra ho an'ireo izay vao manomboka maka sary tahaka anay. Hahitana ireo fikafika madinika hahafahana mamoaka ny tena hevitra rehefa maka sary. Amin'ny faran'ilay video dia miteny ilay nanao azy hoe ny fitsipika voalaza ato dia tsy voatery harahina satria indraindray ny fientanam-po koa no tena hahitana ny hevitry ny sary fa tsy ny fitsipika.

Hitako tokoa fa misy zavatra vitsivitsy mifanohitra ilay fitsipika. Ohatra ilay hoe "Rule of thirds" sy ilay "Symetrie", dia ilay "Dominant eye" sy ilay "Symetrie" koa. Fa na izany na tsy izany dia betsaka ny lesona azo tsoahina na dia fohy dia fohy aza ilay video. Isaorana ilay nanamboatra azy.

Ny antony hiantsoana ny Colas hanapoaka ilay vato be

2015-03-11 @ 08:04 in Vaovao, Eritreritra mandalo, Tsy aritra

Alohan'ny tena resaka. Misy vato mandondona (fa tsy mandondòna) be iray izay any Myanmar, hita eto amin'ny sary, an-tampon'ny tendrombohitra iray ao Kyaiktiyo. Antsoina hoe Vato volamena izy io satria lasa toerana fanaovan'ny mpino Bodista fivahinianana masinia ka izay mamangy mivavaka eo dia mametaka felam-bolamena. Ilay vato be, izay mirefy 7m ny hahavony ary 15m ny savaivony, dia zara raha mipetraka amin'ilay vato eo ambaniny... nefa tsy mikodiadia any ambany. Tsara tombina.

Fa ny tena resaka dia mikasika ihany ilay vatobe eny Avaratr'Ankatso izay mahabe resaka any amin'ny tambazotra sosialy. Araka ny re dia 57.000.000 ar no hanesoran'ny Colas azy nefa ny Malagasy mpiasa vato eny Ambatonapoaka nangataka 6.000.000 hanalàny azy. Betsaka, avy hatrany, ny entim-po, indrindra mahita ny elanelan'ny sarany, hoe resaka fanandevozan'ny Frantsay indray io, satria an'ny Frantsay ny Colas. Ireto anefa misy eritreritra kely mandalo ilàna fanadihadiana... izay mazava loatra fa ny tompon'andraikitra no afaka mamaly azy.

- Nisy ve "appel d'offres" natao tamin'ny fanesorana ilay vato? Raha nisy mantsy ny "appel d'offres" ka raha hita fa ny Colas no nahazo ny varotra dia ara-dalàna tsara ilay "procédure". Miseho any rehetra any rahateo ny sarany fa 57.000.000 ariary, ka raha nisy mpifaninana tamin'ny Colas nanolotra latsak'io nefa tsy nahazo ilay varotra dia tokony izy ireo no hiantsoantso.

- Raha nisy ny "appel d'offres", nahoana no tsy afaka nanolotra ny vinavinany ireo "mpamaky vato"? Tsy nampahafantarina ve izy ireo? Tsy afaka mandray anjara amin'ilay "appel d'offres" ve izy ireo?

- Iza tokoa ilay hoe "mpamaky vato" nanolotra vinavina 6.000.000 ar? Fikambanana ve izy ireo sa "Entreprise"? Afaka manome faktiora sy mandoa haba ve izy ireo? Sao dia tsy mitsinjara amin'ny mpiasa tsara ny vola azo? Ara-dalàna avokoa ve ireo mpiasa sa mety hisy fitsentsefana raha omena azy ireo ny vola? Misy "assurances" ve ny mpamaky vato raha sanatria ka misy loza mitranga mandritra ny fanesorana ilay vato be. Misy antoka (garanti) ve omen'izy ireo amin'ny asa ataony? Ahoana ny fomba hanaovana ny "contrat" amin'izy ireo? Misy "assurance" ve raha sanatria ka miteraka loza hafa (amin'ny manodidina) ny asa ataony?

Rehefa voavaly ireo fanontaniana ireo dia afaka miteny tsara hoe nahoana tokoa no ny "Colas" no manala ilay vato na dia 57.000.000 aza ny vola takiany.

 

Anontanio ahy daholo...

2015-03-10 @ 21:30 in Sarimihetsika

Fampidirana kely aloha. Mijerijery blaogy maromaro aho (anisan'ny mahafinaritra ahy ny mamaky blaogy) dia mahita fa misy endrika vaovao tena miparitaka be amin'izao. Tsy mikasika ny votoatiny akory satria iny efa samy manana ny fomba fanaony, fa mikasika ny endrika ivelany, ny paozin'ilay blaogy mihitsy. Inoako fa vokatr'ilay resaka "responsive" ilay izy. Ny "responsive design" hono dia hoe ny fanaovana ny endriky ny vohikala na blaogy iray mba ho azo jerena amin'ny fitaovana maro samihafa... ordinatera, finday, tablety sns. Dia nalaiko ny finday, nojereko ny blaogiko fa tena tsy mbola responsive mihitsy. Ahoana tokoa moa no haha-responsive azy raha tsy atao responsive loll. Koa mieritreritra aho hoe hanamboatra endrika vitsivitsy responsive ampidiriko ato amin'ny blaogy.com ka raha mahaliana anareo dia afaka mampiasakoa ianareo.

Ask me anything

Fa ny tena resaka androany dia resaka sarimihetsika iray nahafinaritra... fa asa na mahasoa. (tohiny)

Andevoizin'ny salady? :-)

2015-02-19 @ 14:44 in Eritreritra mandalo, Sakafo, Tsy aritra

Asa tokoa hoe manao ahoana ny any #Madagasikara any amin'ny resaka fihinanana sakafo. Indrindra eo amin'ny fandanjalanjana ny sakafo hohanina mba ho ara-pahasalamana. Nanomezana tsiny betsaka ny aty Eoropa sy any Amerika mantsy io fihinanana sakafo mahasalama io teo aloha. Ary noderaina ery ny Afrikanina satria misy ny rehetra sady azo ampifandimbiasina no ara-pahasalamana fa mbola tsy indostrialy. Fa amin'izao dia hitako miova ny famindran'ny olona aty. Angamba manomboka tonga saina daholo vokatry ny aretina sy ny fiovam-batana vokatry ny sakafo. Ny salady tokoa mantsy, noho ny anti-oxydant sy ny fibres ao anatiny dia manadio sy manampy ny any anaty rehetra any. Vavony, aty, tsinay... ary mahatsara fo sy mampihena ny tavy ihany koa.

Na izany asa dia somary hitako mivoana ihany ilay izy ho an'ny olona sasany satria dia lasa salady no foto-tsakafo nefa tsy dia tena hoe matavy akory. Amin'izao, ny toerana andehanako aloha, dia malaza ny menu hoe "Insalatone". Izany hoe portion ngeza amin'ny salady... tena salady iray baolina mihitsy. Mahagaga fa ifandrombahana io menu io ka manjary manao an'io daholo ny bar rehetra raha te hahazo kil hihinan-kanina antoandro.

Ankoatra izany dia tsy atokisana kokoa ny fahadiovan'ny salady noho ny fahadiovan'ny hanina nandrahoina. Ny salady araka ny novakiako tato dia mety hiteraka aretina bebe kokoa noho ny hamburger noho ny fahasarotan'ny fanasana azy. Tsy ampy ny fanasana azy amin'ny rano be fa tokony hisy fanafody sady mamono ny bakteria aminy. Voalaza ao anefa aloha fa tsy ny salady rehetra no misy bakteria mampidi-doza, saingy tsy hay na ilay salady hohaninao iny no ilay misy bakteria tsy mety afa-drano.

Any Madagasikara moa, ankoatra izany bakteria izany, dia anisan'ny loharanon'ny cysticercose koa ny fihinana salady tsy fatam-piaviana. Mbola zezi-kisoa no ampiasain'ny olona sasany mpamboly salady. Misy atodin-kakana sakoitra ilay zezika ka mipetaka amin'ny salady. Raha tsy voasasa tsara sy maharitra izany ny salady dia mahavoan'ny cysticercose.

Ngah hita e. Mila mitandrina bebe kokoa fotsiny fa izay hohanina rehetra toa ahitana tsininy daholo. Mazotoa homana.

Ah, saika adinoko. Misy siten'ankizy vao nivoaka izay, misy resaka sakafo fotsiny ao anatiny www.mamina.org sao mahaliana

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2025 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry