Omaly alina vao hitako ilay Into the Wild na dia efa tamin'ny 2007 aza no nivoaka. Henoko ihany ny lazany fa noheveriko hahamonamonaina satria dia efa ho 150mn be izao. Nony nijery azy anefa aho alina dia tena nankafy tanteraka. Raha mbola tsy hitanareo dia mba jereo ihany. (tohiny)
Manomboka rahampitso aho dia vakansy mandritra ny andro maromaro. Efa tsy andry intsony ny hiravana androany (tsisy mahay teny gasy ato am-piasana). Inona ny vinavina? Hapetrako eto ihany dia hojereko amin'ny septambra rehefa miditra hoe inona no vita :-p
(tohiny)
Dia vita androany ny andrana momba ny fampiasana sarintava eto amin'ny serasera. Amin'izao fotoana izao dia ny forum ihany no misy azy fa hiitatra eo anivon'ny takelaka mampiasa solonanarana serasera iray manontolo. (tohiny)
Dia raikitra indray izany ny fihaonan'ny namana serasera.org eto Roma amin'ity vakansy ity. Ity no fihaonana faharoa hotanterahina eto Roma... ny fihaonana tamin'ny toerana hafa moa dia efa nisinisy ihany (Paris, Antananarivo, Mahajanga, Nice, sns.) (tohiny)