« | »

Baiboly andro aman'alina

2008-10-05 @ 22:08 in Ankapobeny

Misy zavatra mampientam-po eto Roma amin'ity herinandro ity. Nanomboka androany tamin'ny 7 ora hariva teo dia vakiana tsy ankijanona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ao amin'ny fiangonana iray ny Baiboly. Ao amin'ilay Bazilika "Santa Croce in Gerusalemme" no anaovana an'izany ary olona avy amin'ny firenena samihafa, finoana samihafa, sokajy samihafa, no mifandimby mamaky ao.

Ny Papa Benoà XVI no nanomboka azy tamin'ny bokin'ny Jenezy toko voalohany. Tsy misy resa-be fa dia mamaky sy mihaino fotsiny. Efa nifandimby namaky teo ny Jiosy, ny Ortodoksa, ny Protestanta, ny artista, mpanao politika, olo-malaza isan-karazany.

Tsy dia lavitra loatra ny toeram-piasana io ka handalondalo ao mandritra ny herinandro. 

Ho an'izay tsy eto Italia moa dia afaka manaraka izany mivantana ao amin'ny adiresy http://www.labibbiagiornoenotte.rai.it na dia amin'ny teny italiana manontolo aza izany.

Hevitra

tsy ratsy kosa ilay hevitra indrindra ilay firahan'ny finoana samihafa...fa mety ho vita herinandro tokoa ve ?

Nampidirin'i fahamarinana @ 06:48, 2008-10-06 [Valio]

tandremo sao voan'ny CRAMPES !!!

Nampidirin'i Rajiosy @ 07:28, 2008-10-06 [Valio]

Hetsika symbolique tsotra tokoa , kanefa mendri-piderana.

Nampidirin'i lehilahytsyresy @ 12:44, 2008-10-06 [Valio]

tsara kosa izany e! de firy andro ny famakina azy io! hitako anikeo t@ euronews tokoa io

Nampidirin'i news2dago @ 13:42, 2008-10-06 [Valio]

ny tena tsara zao ra natao isaky ny firenena manao an'le izy doly. Dia hoe mandritry ny erinandro eran'zao tontolo izao miara mamaky ny baiboly 1 manotolo doly :)

sady mety ambiansa an :P

Nampidirin'i simp @ 18:45, 2008-10-07 [Valio]

Misasaka ny herinandro dia ao amin'ny bokin'i Makabeo isika izao.

Herinandro no hamakiana ny baiboly manontolo kah. Misy fijanonana kely isaky ny 90 min dia misy hira kely eo amin'ny 10 min eo dia lasa indray.

Nampidirin'i Hery @ 07:50, 2008-10-08 [Valio]

ouhhh, toa mbola dezaka izy izany raha mbola vao Makabeo !!!
Sa misy prolongation ? Sa tohizana any an-toeran-kafa ? Amin'ny 11 oktobra ny famaranana koh...

Nampidirin'i ikalamako @ 07:57, 2008-10-08 [Valio]

Asabotsy amin'ny 11.10 Manomboka ny bokin'ny Apokalipsa na Fanambaràna. Boky farany ao amin'ny baiboly.

Nampidirin'i Hery @ 09:13, 2008-10-11 [Valio]

Manao ahoana !

Dia mahafaly izany vaovao izany !

Tiako ny BAIBOLY !
Tahian ' ny Tompo !

Nampidirin'i HERY @ 23:27, 2008-10-12 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry