« | »

Miantso dokotera vazaha sy miantso miaramila vazaha

2009-03-06 @ 09:38 in Politika

Resaka isan'ny nanaitra ahy tatsy amin'ny serasera indray. Averiko eto ihany fa tsy hevitro ity fa hevitr'i Andrianarivo Robson. Tsy maninona raha mamaly eto ambany eto ianareo kanefa mety tsy ho hitany akory izany. Raha mazoto moa dia jereo eto ny toerana tena hamaliana azy.

---------------

Atao resaka be ankehitriny fa misy « mercenaires » teo @ place 13 mai nibaiko ny miaramila Malagasy. Dia nataontsika sasany ho olana be izany. Dia izaho no mba hevitro.

 

Nodidiana I Mahalatsa sy Mahagaga tsy vita tao Dago fa nalefa taty Farantsa. Tsy nisy niteny isika fa samy faly satria vita soa aman-tsara ny fandidiana. Spécialiste ireo ary azo lazaina koa hoe “mercenaries” fa ao amin’ny sehatra Fahasalamana.

 

Vao afak’omaly ny tao @ MAEP no nanao fiaraha-midinika momba ny fambolena vary ary dia nanafatra expert tany ivelany nanome toro-marika. Azo lazaina ho “mercenaire” koa io fa ao @ sehatra fambolena.

 

Ny sehatra Fizahan-tany eto amintsika dia anjakan’ny teratany vahiny ny fitrandrahana azy. Tsy misy miteny isika kanefa “mercenaries” koa ireo fa ao amin’ny lafiny “tourisme”.

 

Maro tsy ho tambo isaina ny ohatra.

 

Ny fanontaniana dia ny hoe nahoana no asiana resaka be raha vao ny ao @ miaramila no manafatra “expert en mouvement  de masse”? Dia gaga amintsika aho. Amiko sehatra tahaka ny sehatra rehetra io, rehefa ilaintsika ny fanampiana avy any ivelany na inona na inona ka mahasoa antsika tsy hitako ny olana. Famerenana ny filaminana ao anatin’ny fotoana fohy no tanjona, izay fomba rehetra hahatratrarany izay no jerentsika.

 

Sa ahoana hoy ianareo?

 

Hevitra

Salama daholo e,

Tsy ampisalasalana no hilazako fa henatra lehibe ho an'ny malagasy izao. Io ange dia efa manaporofo hoe "Inona ary no tena fiofanana azon'ny manamboninahitra malagasy ?

Ho fahampahafantarana dia eto Madagasikara no be indridra ny Officier eran'i Afrika. Fanampiny, eto amintsika no miofana ny sasantsaany amin'ny officier africain.

Ka dia mba mahalasa saina ihany fa hita hoe marefo ange ny foloalindahy, ary tsy voafehin'ny mpitarika intsony fa formation théorique ihany no azony nandritra ny nahamiaramila azy ???

Koa dia anjarantsika ny mieritreritra. Tsy mitovy mihitsy ny fakana vazaha amin'ny fambolena, fiompiana, fianarana sy ny hoe misy ny "otakotaka" dia ampiarahinao eo ny fahatongavan'ny vahiny.

Nampidirin'i Essera @ 10:12, 2009-03-06 [Valio]

Miantso dokotera vazaha sy miantso miaramila vazah

Tsy hitako izay idiran'ny vitsika amin'ny pétrole: Fa nahasoa ny vahoka ny fisian'izy ireny teny amin'ny 13 mai aminao? Fa tsy ny hamono vahoka no nangalàna azy ireo?

Nampidirin'i ratavao @ 11:53, 2009-03-06 [Valio]

Tena mitovy hevitra aminao aho an'ity resaka ity.

Nampidirin'i libre @ 13:09, 2009-03-06 [Valio]

-

Marina ny an'i Hery!

Essera> henatra ihany tokoa, nefa atao ahoana fa izay no hahasoa! Azo atao koa ange hoe: henatra ny nanasitrana an'i Mahalatsa sy mahagaga tany an-dafy e! Nefa ny hahasalama no tanjona dia nalefa tany frantsa izy ireo.

ratavao> ngah efa namono vahoaka izy ireo?
Ny fitondrana dia tsy mikasa hamono vahoaka mihitsy raha araka ny fandehan-javara hatrizay. Fa ny mpanakorontana foana no niantsy ady!

Raha ny fanenjehana mpanakorontana kosa aloha dia tena zavatra tsara e! Aleo hisy izany toy izay ho lasa ho fanjakan'i Baroa

Nampidirin'i Korio @ 15:33, 2009-03-06 [Valio]

eny e mbola sarotra amin'ny gasy ny manaiky hoe misy vazaha eritreretina ho mahay noho ny gasy hanao asa tokony ataon'ny gasy ... jereo fotsiny izao JIRAMA...na samy gasy samy gasy ary mbola mipetraka io, "avy any aminay ihany no tokony hitondra anay"...ry foko...

Nampidirin'i finoanaranoray @ 17:23, 2009-03-06 [Valio]

sauf que:

1)Mahalatsa et mahagaga, fanavotana aina

2)Mercenaire: fandatsahana aina

3)>>>Famerenana ny filaminana >>>ao anatin’ny fotoana fohy >>>no tanjona, izay fomba >>>rehetra hahatratrarany izay >>>no jerentsika.

Fomba rehetra hoy ianao???, ah bon,! izany tompoko no definition-ny extremisme na jusqu'auboutiste

Nampidirin'i rabingogilabanga @ 19:12, 2009-03-06 [Valio]

Marina izany, ny fiverenan'ny filaminana izao no tanjona fa matahotra loatra ny vahoaka!

Nampidirin'i Valy @ 00:46, 2009-03-07 [Valio]

Miombon-kevitra tanteraka amin'i Hery e!! nafarana hamono olona ahoana moa izany?? tsy nandray ny fe-petra araka ny tokony ho izy angaha moa izy ireo, hita fa nisy ny korontana ka rariny mihintsy raha nandray fe-petra ry zareo e! Ny filaminam-bahoaka zava-dehibe.

Nampidirin'i VALE @ 21:58, 2009-03-09 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry