« | »

Da Vinci Code, hijery sa tsia?

2006-05-20 @ 20:11 in Ankapobeny

Nivoaka teto Italie nanomboka tamin'ny zoma teto ny Codice Da Vinci, izay film anisan'ny be mpiresaka indrindra amin'izao fotoana izao. Miakatra anefa ny polemika momba an'io film io satria betsaka ireo kristianina no tsy manaiky ny sary omena an'i Jesoa ao anatin'ilay film... nanambady sy niteraka sns. Ary indrindra ilay resaka hoe afenin'ny Fiangonana izany fa fantany.

Miala bala mafy ry Ron Howard, mpanatontosa ny sarimihetsika, sy Tom Hanks, izay mpilalao ao anatiny, hoe tantara noforonina (fiction) fotsiny io fa tsy resaka fivavahana mihitsy ka tsy tokony hisy olana (raha misy olana tokoa mantsy dia tsy tafaverina ny vola be nolaniana). Dia hoy aho hoe, raha nanao tantaran'i Mahomet ry zalahy (inoako fa tsy ho sahy mihitsy), ka ohatra hoe Mahomet natao pedophile fotsiny (mety mitovitovy lanja amin'ny hoe Jesoa manambady angamba izany) dia hanaiky mora foana ve ny silamo raha lazaina hoe "tantara foronina fotsiny io fa aza tafitohina ianareo"? Inoako fa efa ady lehibe fahatelo no nipoaka

Koa hijery aho ve sa tsy hijery? Hijery aho fa tsy handoa vola any amin'ny Cinema. Rahampitso ihany aho dia hitady an'ireny DVD entin'ny mpanao pirates ireny dia hividy... 5 euros dia mahazo. Dia miaraka mijery eto izahay au lieu de mandany 15 euros any amin'ny salle. Eto Italia rahateo dia malaza io resaka io, tsy maintsy tonga eny amin'ny trottoir io film io satria misy mitondra camera any amin'ny salle manao copie (lafiny iray maha pays du tiers-monde an'i Italie io). Rehefa mahita aho dia ho ripper-ko dia hapetrako amin'ny eMule... inoako fa efa any ho any rahateo io. Raha misy mila dia hanaovako copies betsaka mihitsy. Izaho indray tsy hanao izay hampanankarena andry zalahy amina resaka polemika. Raha misy mila dia alefako paositra.

NB: Fiction fotsiny io paragraphe farany io fa sao dia gaga ny CIA an

Ity misy critique manafinaritra momba ny film :-)

http://www.movie-reviews.colossus.net/movies/d/davinci_code.html 

Hevitra

Raha olona marivorivo finoana aloha mijery ilay film mety lasa mivadika e! Raha ny eto frantsa no dinihina dia maro ireo tanora no tsy mandeha mivavaka, raha mandeha any ampiangonana ianao eto Frantsa dia matetika olona antitra no betsaka.Ka vao maika misy an'ity Davinci Code ity.....
Raha amiko manokana aloha dia hilaina ny mijery io film io indrindra ho an'ireo manampinoana, mba ahafantarany fomba fijerin' ny hafa momba an'i Jesoa sy ny finoana, na dia lazaina aza hoe fa Roman izy io.

Nampidirin'i voromailala @ 22:57, 2006-05-20 [Valio]

Hijery!!! :)

Tsy izay rehetra voalaza amin'ireny film sy ny sisa ireny ange dia ho marina na ho diso daholo e! Vokatry ny imagination'ny mpanoratra daholo fotsiny ireny, izay eritreriny manidina any no soratany. Dia izay no hojerena amin'ilay film, satria mahafinaritra fotsiny :)

Nampidirin'i lapino @ 04:58, 2006-05-21 [Valio]

Ny mahavariana dia misy teny hoe seek the truth eo ambany insdrindran'ny lohateny! tsy mahay teny vahiny tokoa angaha aho!

Nampidirin'i jentilisa @ 05:15, 2006-05-22 [Valio]

io ary fa efa nivoaka sahady ny cpie any chine, 5 yuans hono ny vidiny, 0.50 cts euros.

eto frantsa hono ( la fille ainée de l'eglise catholique), 30% ny olona namaky ilay boky no mino ny tantara. mampahonena!

Nampidirin'i ravakamalala @ 23:26, 2006-05-22 [Valio]

Vromailala :"Raha olona marivorivo finoana aloha mijery ilay film mety lasa mivadika e! "

Mitombina mihitsy eritreritr'i Voromailala @ ho voka-dratsin'ity film ity.
Naheno fanadihadiana momba io film io aho indray alina. Ka toa hoe tena manindraindra an-dry zareo frantsay mantsy ity film ity 'ko. Araka io film io hono mantsy dia taranak'i Jesosy ry zareo.
rehefa dinihiko anefa ilay fisainan'ilay mpandinika dia toa hevitra peta-toko be.
Misy anefa tamin'ireo niara-nijery fahitalavitra taminay no tena talanjona sy resy lahatra ery. izany no hoe "tsy manam-pinoana tokoa". Sa ahoana !

Nampidirin'i Tokinao @ 11:50, 2006-05-26 [Valio]
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2019 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry