Na dia atao hoe efa mirindra tsara aza ny fihavanana. Na dia atao hoe efa tsisy romoromo mihitsy intsony aza. Na dia atao hoe efa nifamela nanadino ny disadisa vokatry ny lasa aza. Dia sarotra ihany ny hifampiditra antrano... raha toa ka mbola avela eo am-bavahady tsy mifatotra ny alika masiaka. Tsy fihatsaram-belatsihy ihany ve ny hoe "tongava tongava hoy ianao, fa manantena foana aho" kanefa tsy mandalo lavitry ny vavahady akory aho dia efa miala any i Doubtfigher mivòvò? Tsy fialantsiny fotsiny ve ny hoe efa "niantso aho" kanefa tsisy fepetra raisina akory hampangiana ity alika vonon-kanaikitra?
Ka hoy aho hoe, aleo hilamina. Afatory aloha ny alika dia ho avy aho. Na farafaharatsiny omeo calmant... na somnifère mihitsy e :-). Rehefa mifitsaka izy dia angamba hadisoako amin'izay raha tsy tonga aho. Hohitanao fa izaho no ho tonga aloha.
Ka amin'izao aho aloha aza omena tsiny :-)
Fa maninona koa ary no miompy alika masiaka
Ny tranga voalaza eto mety mifandray amin'ny zavatra niainanao dia fifanandrifian-javatra fotsiny.
Efa nolazaiko teto ihany ho an'izay manoratra lavalava eto amin'ny blaogy dia tsaratsara kokoa mampiasa fitaovana hafa aloha (ohatra hoe winword) dia avy eo copier-coller fotsiny sisa. Na izany aza dia efa novaina tsikelikely ihany ireto zavatra ireto.
- Ny halavan'ny session teo dia par defaut (24 mins) ka nampiakariko ho 120 mins. Rehefa mivoaka izany dia tokony manao logout foana satria raha tsy izany tsy secure
- Rehefa miditra admin.php (na dia efa nampiditra solonanarana sns aza) dia asainy mampiditra indray RAHA TOA KA tsy mbola tafiditra tao amin'ny ilay blaogy manokana (izany hoe nanindry ny anaran'ny blaogy). Tsy fantany tsinona ny blaogyID dia tsy voatahiry ao amin'ny session. Raha toa ka efa nanindry ny anaran'ny blaogy dia voatahiry amin'izay iny blaogy iny ka raha miverina amin'ny admin.php dia tsy anontaniany intsony.Amin'izao dia tsy manana blaogy afatsy anakiray isan'olona isika ka angamba azo atao ny manao par defaut hoe tonga dia tehiriziny ilay blaogID raha vao tafiditra.
*** UPDATE ***
Naverina ho 30 minitra ihany ilay fetran'ny session fa toa misy risika be.
Ny tsirairay fotsiny no iangaviana hitady hevitra hoe ahoana no hatao.
Paka ny andro androany. Fety lehibe indrindra ho an'ny kristianina. Tena kristianina ve aho? Tsy ny fandehanana any am-piangonana fotsiny, sy ny fiderana amin'ny vava fotsiny na ny asa fanasoavana sy ny fifadian-kanina tamin'ny karemy fotsiny. Fa ny fo sy fanahy iray manontolo no maha kristianina ny kristianina. Nandritra ny karemy dia lasa resa-be ny hoe nareo mifady hanina sy tsy mihinan-kena... fa ny anay ny toetra mihitsy no ovaina. Dia hoy aho hoe, raha izay no mba kely vitako aloha amin'izao fotoana izao? Tsy hoe tsy niezaka aho, fa misy zavatra mivaingana izay mora kokoa ny manao azy dia atao aloha, alohan'ny hanatratrarana dingana lehibebe kokoa. Fa raha ny fifehezan-tena kely isankarazany aza tsy vita dia afaka hihambo hoe nanova toetra mihitsy ve? Sao dia fialàna bala fotsiny ilay hoe tsy mifady hanina fa ny fo no amboarina? Sao dia voa double, sady tsy nifady hanina (tsy nanao ny ezaka mora indrindra) no tsy nanova fo (tsy nanao ny ezaka lehibe kokoa)? Raha nahavita azy rehetra moa, ny vatana sy ny fanahy, dia "meno male".
Tonga ity ny Paka, tsy voasakan'ny tsy nanaovana ezaka nandritra ny karemy... fa mbola tonga foana. Hitondra fifaliana sy fiadanana. Hoy ny fiteny matetika rehefa sendra fijaliana hoe "Tsy misy zoma masina tsy misy Paka" izany hoe aorian'ny fijaliana dia tsy maintsy hisy masoandro... nefa koa na dia tsy mijaly aza ianao mandritra ny zoma masina, ny Paka tsy maintsy tonga foana. (Izany hoe l'inverse n'est pas impossible). Na tsy mba nandray anjara tamin'ny fiomanana hitsena azy aza ianao, dia mbola tonga ho anao indray izy. Na mbola tsy mahatsapa aza ianao hoe ho anao no nijaliany sy nahafatesany ary nitsanganany, dia nijaly sy maty ary nitsangana ho anao Izy. Koa tonga izao ny Paka dia mba misaora azy.
Ny serasera.org, ho an'izay vaovao, dia niforona tamin'ny taona 1999 (3 oktobra izy izay). Tsy niova mihitsy ny tanjona... dia ny hanolotra fitaovana hifandraisan'ny Malagasy (mba tsy hamerenana foana ilay hoe hampiray ny Malagasy).
Fa anisan'ny zavatra mahafinaritra ahy indrindra ao amin'ny serasera dia ny tsy fisian'ny elanelana eo amin'ny mpikarakara sy ny mpampiasa ny takelaka. Ny ankamaroan'ny portail toa itony mantsy (na dia tsy vazaha aza fa tena Gasy koa) dia sarotsarotra ihany ny mifandray amin'ny mpitantana. Indraindray ianao mandefa email dia tsy voaray... na tsy voavaly. Indraindray tsy ny olona tianao hifandraisana no mamaly ny taratasinao... be protocole zany e. Fa ny serasera, na dia betsaka aza ireo mpiara-miasa... dia noezahina nofoanana mihitsy ny resaka protocole fa mpinamana daholo na dia ireo vao vaovao omaly aza... ary miara-mandray anjara manantanteraka ny tanjona.
Izany no efa fomba fiasa hatramin'izay... koa mbola izany hatrany no ho fomba fiasa. Tsy midika izany fa tsy matotra, fa toa very maina ilay tanjona hoe hampifandray raha ampitomboina ny elanelana.
Dia aza gaga ary raha mahita ahy mikivanivany ao amin'ny chat, miditra lalina amin'ny resaka ao amin'ny forum, mamaly ny hafatra tsotra dia tsora alefan'ny namana, mandefa hafatra momba ny solonifin'i bebe, tapatsinay rehefa mahita resaka mampihomehy eto amin'ny serasera. sns. Satria mba te ho namana tsotra toa ny rehetra koa aho.