Wééé Tafiditra ao anaty fandaharampotoana ny blaogy.com

2007-01-31 @ 15:31 in Blaogy Dev

Ankoatry ny asa ato ampiasana sy ny hafa dia tafiditra ao anatin'ny zavatra tokony hokitihana amin'io volana febroary io koa ny blaogy.com. Ny fanapahan-kevitra noraisin'ny mpidinika tamin'izany (izaho sy ny feon'ny fieritreretako) dia ny hanohizana sy hanatsarana ny fikarakarana ny blaogy.com amin'izao endriny izao. 

 (tohiny)

Nahoana no misy blaogy.org?

2007-01-25 @ 13:42 in Blaogy Dev

Aleo hanazavako azy mihitsy :-p
 (tohiny)

Miangatra ihany ilay solde

2007-01-15 @ 15:10 in Blaogy Dev

Tahaka ny firenena maro aty Eoropa dia mba manao soldes koa ny eto Italia. Tsy dia mafàna be tahaka ny any Frantsa ohatra ny solde aty satria hita hoe mahantra (na koa angamba matity) ihany ny Italiana amin'ny ankapobeny ka zara raha misy tafidina 30% ny vidin'entana. Ny mba tafidina 50% dia izay zavatra tena tsy hovidianao mihitsy. Ary ankoatr'izany dia misy tena fetsy ratsy mihitsy ny mpivarotra satria misy ireo efa nanao fihenambidy taloha (mbola tsy fotoanan'ny soldes), ka nandritra ny solde dia ilay vidiny taloha be no nampiasainy sy nampiharany ny fihenam-bidy fa tsy ilay vidiny efa nihena hitan'ny olona.

Izany leoko ihany, fa ny tena mahakirizy dia zavatra natao ho an'ny vehivavy no tena betsaka nihem-bidy. Tsy ampy safidy mihitsy ny lehilahy. Hatramin'ny fitafy ka hatramin'ny kojakoja antokatrano sns. Dia rehefa sendra mba mijery soldes dia mpitondra entana sisa :-)

Ny fampiononana fotsiny ho an'ny lehilahy dia hoe afaka mividy zavatra tsy ao anatin'ny soldes izany izy. 

Olan'ny misabaka :-)

2007-01-11 @ 23:21 in Blaogy Dev

Eny e, nisy olana vitsivitsy teo teto amin'ny blaogy (mety mbola misy voatahiry any ho any). Ny antony dia misabaka eo anelanelan'ny Voatra (na Tao, na Version) roa samihafa isika. Efa ampidirina tsikelikely ny zava-baovao ami'ny version vaovao. Somary manahirana ihany kanefa mila hatsaraina hatrany.

Ezahina ny tsy hisian'ny olana be loatra... fa raha vao misy olana dia lazao ihany. 

Tana Miblaogy 3.0

2006-12-06 @ 14:23 in Blaogy Dev

Ity dia fanasana ny mpi-blaogy rehetra ao Antananarivo mandritra ny faran'ny taona 2007. Ny hevitra rehetra dia azo aroso ao amin'ity takelaka ity. Jereo eto.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jiona 2025 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry