Tamin'ny volana oktobra 1999 no niforonan'ny Serasera. Feno fito Taona izy izany izao. Te hijery aho hoe inona marina no tena fivoarana? Ny mpikambana no tsy mitsaha-mitombo. Ny anarana hoe serasera angamba efa mba malaza ihany. Ny fitaovana koa nitombo. Taloha dia nofinofy izany hampiasa serveur dedié izany... amin'izao mampiasa Dédiés roa. Ny vola mivoaka koa mitombo :-) (oviana vao hisy ny miditra?). Ny tanjona tsy miova... hampifandray ny Malagasy maimaim-poana. Mijanona ho maimaim-poana hatrany aloha satria tsy misy safidy hafa. Mbola tsy vitan'ny Malagasy ilay mandoa vola amin'ny services eto amin'ny internet.
Mety hahaliana angamba ity tabilao eto ambany ity izay misy ireo hafatra rehetra nandeha tao amin'ny lisitra.serasera.org izay takelaka tranainy indrindra eto amin'ny serasera.org. Nojereko tao fa sarotra be mihitsy ny roa volana nanombohana azy.
(tohiny)
Fanintelony izao tao anatin'ny 2 andro no nanaovako fanandramana nampakatra ny milina ao anatin'ity blaogy ity ho 1.1, fa misy olana kely foana.
Ny olana farany izay mbola tsy voavaha androany dia ny resaka lahatsoratra miafina. Rehefa ampiasaina amin'ny 1.1 dia lasa tsy mety miafina ny lahatsoratra taloha. Mazava ho azy fa tsy hifindra 1.1 mihitsy aho raha tsy voavaha ireo olana ireo.
Mety hiditra ho anisan'ny developpers ao amin'ny lifetype ihany koa aho raha misy fotoana fa efa mba misy kely ihany ny bugreports nalefako no nampidirina ao amin'ny core-n'ny 1.2
Hapetraka eto ihany rehefa mampiasa tanteraka ny 1.1 ny blaogy.com
Tao anaty documentaire iray sendra hitako efa ela dia nisy olona moana sy marenina izay nanontaniana raha toa ka te ho sitrana, handre toa ny olona rehetra. Fa nandà izy niteny hoe "Sao dia diso fanantenana amin'izay zavatra alaiko sary antsaina aho". Raha toa mandre tokoa izy dia ho hafa tanteraka amin'izay rindra noheveriny no ho reny. Dia naleony nipetraka tao anatin'ny fahanginana fandreny.
(tohiny)
Tratran'ny hackers ny serasera.org androany. Tava mainty no nitranga tao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org nandritra ny minitra vitsivitsy tamin'ny 11:07 - 11:15 maraina. Trou de securité izay hita tao amin'ny module anakiray amin'ny Joomla tao amin'ny site iray tato amin'ny serasera.org ilay izy (module pollxt izay navoakan'ny http://www.joomlaxt.com izay hitako hacked koa androany). Efa nanao antso ihany ry zalahy tao kanefa na ny site-ny aza io hacked. Ny nahatonga an'ilay defaced indray aloha dia fanadinoana tamin'ny permissions tao amin'ny repertoire iray tao amin'ny namana... na dia hacked asa ny site dia tokony tsy hisy olana foana raha mirindra araka ny tokony ho izy ny permissions.
Na izany aza, dia azo deraina ihany ny hackers matihanina satria tsy manimba na inona na inona izy fa mampiseho fotsiny hoe afaka manimba. Asehony ilay vulnerability ao amin'ny efitrao... fa tsy mangalatra na manimba :-)
Fotoana maromaro no lany namakiana ny logs vao hita hoe taiza ry zalahy no niditra ary inona no nampiasainy. Inoana fa tsy hisy olana intsony.
Tontosa soa amantsara ny fihaonan’ny namana serasera teto Roma ny 4-5-6 aogositra 2006 teo. Nahafinaritra tanteraka ny fiarahana… tsy nampoizina loatra ho toa izany raha eritreretina hoe olona tsy mifankahalala afatsy amin’ny alalan’ny internet (forum, chat, hafatra sns…
na dia efa nisy ihany ny fifampizaràna sary tetsy sy teroa. Be dia be, noho izany, ny surprises… fa surprises nahafinaritra daholo.
(tohiny)