Blaogy.com : Dingana dimy hanokafana blaogy
Efa misy ihany nosoratako tany aloha tany momba ny fandrindrana ny blaogy eto amin'ny blaogy.com. Ity lahatsoratra ity dia mampiseho ireo dingana tsotsotra tokony holalovana ho an'ireo vao hanomboka hametraka ny blaoginy eto.
Tsotra dia tsotra ny manokatra blaogy eto amin'ny blaogy.com. Araho fotsiny ireto fanazavana ireto.
1. Misorata anarana ao amin'ny serasera.org
Mila manana solonanarana sy tenimiafina serasera.org ianao vao afaka manana blaogy eto amin'ny blaogy.com. Koa raha mbola tsy manana dia azonao atao avy hatrany ny mandeha misoratra anarana ao amin'ny http://login.serasera.org (Tsindrio eto). Rehefa avy misoratra anarana ka manana solonanarana sy tenimiafina ianao dia miverena indray eto.
2. Miditra amin'ny blaogy.com
Rehefa manana solonanarana sy tenimiafina serasera.org ianao dia miverena eto amin'ny blaogy.com dia ampidiro ilay solonanarana sy tenimiafina. Tandremo sao diso indrindra ny sora-baventy na majuscule. Raha Hery ohatra ny solonanarana dia Hery no ampidirina fa tsy hery.

Toerana fampidirana solonanarana sy tenimiafina
Ny zavatra hitanao voalohany dia ilay antsoina hoe Toerana Fandrindrana. Eo no hahitanao ny famintinana ny zavatra azonao atao. Tsindrio ny anaran'ny blaoginao (amin'ny voalohany dia hoe Blaogin'i ...) mba hahafahanao mandrindra azy.

Toerana fandrindrana
3. Hanova ny momba ny blaoginao
Mazava ho azy, azonao ovaina tanteraka ny momba ny blaoginao. Ny anarany (mba tsy hoe Blaogin'i ... fotsiny), ny endriny (misy endrika maro) sy ny zavatra hafa koa. Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ianao dia tsindrio ilay hoe Momba ny blaogy fa ao ny fanovana izany.

Fidirana ao amin'ny momba ny blaogy

Fanovana ny safidy amin'ny blaogy
4. Hanoratra amin'izay
Rehefa vita ny fanovana ny blaogy dia azonao atao amin'izay ny manomboka manoratra. Tsindrio ilay hoe Lahatsoratra ery ambony ery dia avy eo tsindrio ilay hoe Lahatsoratra vaovao.

Raha hanoratra dia tsindrio ilay hoe Lahatsoratra
Rehefa tonga ao amin'ilay hoe lahatsoratra vaovao ianao dia afaka manoratra avy hatrany. Ampidiro ny Lohateny sy ny Lahatsoratra dia aza adino ny mijery ny Sokajy ametrahanao ny lahatsoratra. Marihina fa azonao atao ny mampiditra sokajy vaovao.

Rahefa tafiditra ny lahatsoratra dia tsindrio ilay bokotra hoe Alefaso ery ambany indrindra. Ho azo vangiana amin'izay ny lahatsoratrao. Sokafy ny http://solonanarana.blaogy.com (soloy ny solonanaranao ilay hoe solonanarana) dia ho hitanao fa nivoaka ny lahatsoratra.
5. Aparitaho ny blaoginao
Anjaranao amin'izay ny manaparitaka ny blaoginao. Ampidiro any amin'ireny toerana fanangonana takelaka ireny (ohatra hoe ny http://takelaka.org) na koa mandraisa anjara amin'ny fifaninanana isankarazany.
Inona moa no misakana anao tsy hanana blaogy? Jereo eto
Dia mazotoa e.
12/07,2007, at 11:44
Visit ikalamako
:-)
raikitra indray ny piblisite-n'i sefo. Inona no misakana anao ???
12/07,2007, at 14:03
Visit pissoa
ikalamako : hi hi hi !
tonga dia ikalamako mitsy no tadidiko vao nahita an'le titre aho :-P
ndeha hiblaogy amizay fa tssss :-P
12/07,2007, at 15:34
Visit DotMG
Manaraka ny feed-n'ireo blaogy vaovao amin'ny http://malagasymiray.net/blaogasyfera aho dia mahita fa misimisy ihany ireo blaogy vaovao (Blaogy ho anao: Blaogin'i xxx) kanefa dia toa mijanona amin'io dingana io fa andro maro aty aoriana tsy mbola misy na inona na inona ihany ao anatin'ilay blaogy.
Misy olona tsy mahafantatra ny atao hoe manao blaogy ve, sa voatarika hanokatra blaogy fotsiny fa avy eo tsy manam-potoana hanoratana lahatsoratra akory? Ho ahy aloha dia tena miraikitra mihitsy ny fanoratana lahatsoratra e! Zara raha misy 1 isaky ny 2 volana?