« | »

Blaogy.com : Dingana dimy hanokafana blaogy

2007-12-07 @ 06:58 in Fampianarana

Efa misy ihany nosoratako tany aloha tany momba ny fandrindrana ny blaogy eto amin'ny blaogy.com. Ity lahatsoratra ity dia mampiseho ireo dingana tsotsotra tokony holalovana ho an'ireo vao hanomboka hametraka ny blaoginy eto.

Tsotra dia tsotra ny manokatra blaogy eto amin'ny blaogy.com. Araho fotsiny ireto fanazavana ireto.

1. Misorata anarana ao amin'ny serasera.org

Mila manana solonanarana sy tenimiafina serasera.org ianao vao afaka manana blaogy eto amin'ny blaogy.com. Koa raha mbola tsy manana dia azonao atao avy hatrany ny mandeha misoratra anarana ao amin'ny http://login.serasera.org (Tsindrio eto). Rehefa avy misoratra anarana ka manana solonanarana sy tenimiafina ianao dia miverena indray eto. 

2. Miditra amin'ny blaogy.com

Rehefa manana solonanarana sy tenimiafina serasera.org ianao dia miverena eto amin'ny blaogy.com dia ampidiro ilay solonanarana sy tenimiafina. Tandremo sao diso indrindra ny sora-baventy na majuscule. Raha Hery ohatra ny solonanarana dia Hery no ampidirina fa tsy hery.

 


Toerana fampidirana solonanarana sy tenimiafina
 

 

Ny zavatra hitanao voalohany dia ilay antsoina hoe Toerana Fandrindrana. Eo no hahitanao ny famintinana ny zavatra azonao atao. Tsindrio ny anaran'ny blaoginao (amin'ny voalohany dia hoe Blaogin'i ...) mba hahafahanao mandrindra azy.

 

fidirana_fandrindrana
Toerana fandrindrana

 

 

3. Hanova ny momba ny blaoginao

Mazava ho azy, azonao ovaina tanteraka ny momba ny blaoginao. Ny anarany (mba tsy hoe Blaogin'i ... fotsiny), ny endriny (misy endrika maro) sy ny zavatra hafa koa. Rehefa tafiditra ao amin'ny toerana fandrindrana ianao dia tsindrio ilay hoe Momba ny blaogy fa ao ny fanovana izany.

 


Fidirana ao amin'ny momba ny blaogy
 

Fanovana ny safidy amin'ny blaogy
 

 

4. Hanoratra amin'izay

Rehefa vita ny fanovana ny blaogy dia azonao atao amin'izay ny manomboka manoratra. Tsindrio ilay hoe Lahatsoratra ery ambony ery dia avy eo tsindrio ilay hoe Lahatsoratra vaovao. 

 


Raha hanoratra dia tsindrio ilay hoe Lahatsoratra

 

 

 Rehefa tonga ao amin'ilay hoe lahatsoratra vaovao ianao dia afaka manoratra avy hatrany. Ampidiro ny Lohateny sy ny Lahatsoratra dia aza adino ny mijery ny Sokajy ametrahanao ny lahatsoratra. Marihina fa azonao atao ny mampiditra sokajy vaovao.

 

Fampidirana lahatsoratra

 

 

Rahefa tafiditra ny lahatsoratra dia tsindrio ilay bokotra hoe Alefaso ery ambany indrindra. Ho azo vangiana amin'izay ny lahatsoratrao. Sokafy ny http://solonanarana.blaogy.com (soloy ny solonanaranao ilay hoe solonanarana) dia ho hitanao fa nivoaka ny lahatsoratra.

 

5. Aparitaho ny blaoginao 

Anjaranao amin'izay ny manaparitaka ny blaoginao. Ampidiro any amin'ireny toerana fanangonana takelaka ireny (ohatra hoe ny http://takelaka.org) na koa mandraisa anjara amin'ny fifaninanana isankarazany.

Inona moa no misakana anao tsy hanana blaogy?  Jereo eto

Dia mazotoa e. 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry