Fetin'i Faraniaina :-)
Tsingerin-taona nahaterahan'ilay Faraniaina ny 18 jiona. Faraniaina, Fara, Fafah, Niaina, Pôta, Paulette, fiantsoana azy daholo... arakaraky ny taona nandalovany, arakaraky ny toerana misy azy sy ny olona ifandraisany. Ie, anisan'ny nampiavaka an'i Fara io sarotiny amin'ny anarany io. Indraindray tsy misy mahazo miantso azy hoe Paulette afatsy izaho, indraindray tsy azo antsoina hoe Fara izy rehefa eo akaikin'ny mpiara-mianatra aminy, indraindra rehefa tsy miantso azy hoe Pôta dia ohatry ny tsy olona ao antrano... taty aoriana aza, efa lehibe, rehefa manoratra aty amiko izy dia misy sonia roa ery ambany dia ilay sonia iray nokosehina... tiana ho fantatro hoe tsy io intsony indray no iantsoana ahy fa ity vaovao ity. (tohiny)