« | »

Mr. Bean's Holiday... lasa lavitra

2007-04-20 @ 09:21 in Sarimihetsika

Gaga aho androany nijery tamin'ny yahoo movies fa tsy mbola nivoaka any US ilay film Mr Bean's Holiday na dia efa mivoaka amin'ny firenena maro aza. Amin'ny 31 aogositra hono vao hivoaka... satria angamba tsy film amerikana. Dia mbola gaga koa aho fa vao 2 herinandro monja no nivoahany dia nahatratra 124 millions USD sahady ny vola voaangony... mandrapahatongan'ny volana aogositra izany dia mety hahazo mihoatra noho ny 200 millions io film io.
Omaly mantsy no nijerenay an'io film io dia saika hanao resa-be teto aho... fa toy ny fanaoko alohan'ny manao resa-be momba ny film iray dia mijery izay mba hevitry ny olona aloha sao mba misy olona mitovy hevitra amiko. Kay ilay izy aza tsy mbola nivoaka tany US akory. Fa nahafinaritra ilay izy amin'ny ankapobeny. Tsy tena tsara be tahaka ny sombintantaran'i Mr. Bean mahazatra kanefa tsy naha monamonaina koa. Hita daholo ny maha Mr. Bean an'i Mr. Bean... afatsy i Teddy, ilay nounours kely iny no tsy tao.

Ny zavatra tena nampihomehy anay koa dia ny nandikan'ny italiana (tamin'ny sous-titre) ny hoe "Espèce de connard" izay nosoratany hoe "Una razza di 'anatra' che sei"... ny dikan'ny 'anatra' amin'ny teny italiana anefa dia hoe canard. Diso tsipelina ve sa tena fanahiniana?... fa dia lakolakon'ny hehy mihitsy ary gaga ny olona teo akaiky teo hoe inona koa no nampihomehy tamin'iny :-)

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry