« | »

Vetso: kajikajy momba ny isa

2007-04-24 @ 10:52 in Serasera.org

Iaraha-mahita fa mbola tsy mirindra tsara ny fikajiana ny isa azon'ny tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org satria amin'izao raha vao omen'ny namana 1 isa 5 dia mahazo isa 5 avy hatrany (100%) ary tonga dia lasa ambony indrindra. Koa manana eritreritra toa izao aho momba io isa io.

Tokony miankina amin'ny isan'ny mpifidy no anomezana isa. Tsy mitovy ny isan'ny mpanome isa isaky ny tononkalo ka tsara raha raisina izay tononkalo nisy mpanome isa be indrindra. Atao hoe X io isan'ny mpifidy be indrindra io.

Dia avy eo amin'io X io no hakàna ny salan'isa amin'ny tononkalo rehetra.

Izany hoe raha misy 50 ny isan'ny mpifidy be indrindra (tamin'ny tononkalo iray tamin'ny 2005 ohatra) dia ny fitambaran'ny isa rehetra dia zaraina an'io 50 io.

Ohatra:

- Tononkalo iray misy mpifidy 50 samy nanome isa 5 avy dia mahazo isa (5 x 50) / 50 = 5
- Tononkalo iray vaovao misy mpifidy 1 nanome isa 5 dia mahazo isa(5 x 1) / 50 = 0,1

Ny formule izany dia

 

(Fitambaran'ny isa x fitambaran'ny mpifidy amin'ny tononkalo iray) / fitambaran'ny mpifidy amin'ny tononkalo be mpifidy indrindra 

Hodinihina... 

Hevitra

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Jolay 2024 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
1 2 3 4 5 6 7
8 9 10 11 12 13 14
15 16 17 18 19 20 21
22 23 24 25 26 27 28
29 30 31        
Rohy
  • Blogroll
Tahiry