« | »

Et Dieu les créa homme et femme

2013-04-23 @ 17:32 in Sarimihetsika, Finoana sy Fivavahana

Fampidirana kely hafa mihitsy. Tamin'i Papa Fransoà lany dia samy nieritreritra ny maro fa hisy fiovana betsaka eo amin'ny Fiangonana Katolika. Nasehon'ny Papa tokoa izany fanombohan'ny fiovàna izany satria noraisiny ho tarigetra ny fanetren-tena ho azy sy ho an'ny Kristianina manontolo. Fa ny tena anisan'ny betsaka mpanantena dia hoe mety hanambady amin'izay ve ny pretra. Marihana aloha fa tsy ny pretra, ary tsy ny katolika akory matetika no manao ireo resaka ireo fa matetika dia ireo izay tsy katolika akory ka miandrandra fiovana na fisokafana kokoa eo amin'ny Fiangonana katolika. Ny antony tena nampivoaka ny resaka dia satria heno fa talohan'ny naha Papa azy ny eveka Bergoglio dia tsy nandà ny mety hisian'ny pretra manambady. Saingy nomarihany tsara fa tsy hoe famelàna ny pretra hanambady akory no tiany lazaina fa kosa ny famelàna ny olona efa manambady mba hanao pretra. Izany hoe mitombona ihany ilay hoe tokony tsy hanambady ny efa pretra... fa ho afaka manao pretra ny olona efa manambady. Tsy mampihena ny lanjan'ny fahambonian'ny "célibat" ho an'ny pretra izy amin'izay. Nolazainy tamin'izay fa tsy resaka foto-pinoana (dogmatique) izany fa resaka fombafomba (coutumes) ka azo atao tsara ny manova azy araka ny toe-tany sy ny toetr'andro. Amin'ny fiangonana katolika hafa toy ny "coptes" sy ny manaraka ny fombam-pivavahana "bizantinina" rahateo dia efa misy ny toa izany. Noho izany dia mety hisy ihany ho an'ny Katolika Romana ny mompera manambady any aoriana any.

 

Fa ny tena resaka dia somary misy fifandraisany kely amin'izay ihany. Avy nijery ilay sarimihetsika hoe "La Papesse Jeanne" (2009) aho. Sarimihetsika izay mitantara hoe nisy vehivavy iray lasa Papa-n'ny Fiangonana  Katolika. Tantara izay niseho tany amin'ny taonjato faha-9 tany ho any. Nahaliana ahy ilay nieritreritra hoe ahoana tokoa no ho fandraisan'ny kristianina izany hoe hisy Papa vehivavy izany. Saingy tsy izay no tena nasehon'ilay tantara. Tsy nisy nahalala azy ho vehivavy i Jeanne tamin'ny nahatafidirany tao anilan'ny Papa tao Roma. Nanana ny lazany manokana izy ka voafidy ho Papa nony farany. 

Noporofoin'ilay tantara hoe na ny vehivavy aza dia mahavita ny zavatra ataon'ny lehilahy. Tsy tokony hisy fahasamihafana eo amin'ny fiainana andavan'andro ny lehilahy sy ny vehivavy. Saingy i Jeanne kosa anefa dia neken'ilay tantara hoe tsy ho tafiditra teo amin'ny toerana nisy azy raha tsy nanao endrika lehilahy. Izany hoe na dia nahavita ny zavatra vitan'ny lehilahy aza izy dia fantany fa tsy afaka nahazo ny fanosorana izy raha tsy nanao endrika lehilahy. Midika koa fa tsy resaka hoe mahavita na tsy mahavita fotsiny ihany no mahatonga ny Katolika tsy manosotra ny vehivavy ho tonga pretra na eveka na papa fa zavatra hafa... izay azo anoratana lahatsoratra hafa mihitsy. 

UPDATE: Nisy lahatsoratra iray izay milaza fiandrandran'ny fiovana goavana eo anivon'ny Fiangonana mikasika ny vehivavy ihany koa ao amin'ny LaVie.fr

Ny nanaitra ahy dia ny sosokevitra nentin'izy ireo nanao hoe

1 - Que l’Église catholique se dote d’un "observatoire des pratiques de parité", afin d’exercer une vigilance sur les positions diplomatiques du Vatican à propos des femmes.

2 - Que les femmes, partout où elles le peuvent, avec les hommes qui le veulent, organisent des cercles de silence autour des sièges des conférences épiscopales.

3 - Que des femmes deviennent diaconesses et cardinales.

4 - Enfin, que les hommes d’Église ne portent plus de robe hors des temps liturgiques.

Rehefa dinihina dia tsy misy fangatahana ny ho tonga pretra mihitsy ao. Ka inoako fa azon'ny Fiangonana idirana tsara.


Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry