« | »

Fleurs du Gazon d'Olympe

2013-04-24 @ 22:02 in Kanto, Sary

Gazon d'Olympe

Nahita fika tamin'ny internet hanaovana macro mampiasa "Reversed lens" (objectif renversé?) indray aho. Izany hoe afototra ny objectif ka ny lohany no atao vodiny tongony :-). Mba hahafahana manao izany nefa dia mila adapteur adaptateur (efa hoe adaptateur fa tsy adapteur no fiteny) izay mora dia mora ao amin'ny ebay. Ny objectif mahazatra, grand angle, 18-55mm ihany no nampiasaina fa nafototra. Ny olana hita dia raha vao mihetsika kely fotsiny dia flou satria kely loatra ny toerana hahazoana focus, milimetatra vitsy aloha sy aorianan'ny sary dia efa manjavona sahady ka raha mangovitra na misy rivotra dia simba. Tsy misy fomba hanamboarana ny hazavana (ouverture) ihany koa satria mifototra ilay objectif. Tsy haiko na azo ajanona eo amin'ny mazava indrindra alohan'ny hametrahana ilay objectif amin'ny toerany.

Toa izao ny fitaovana miasa:

 


Ilay Adaptateur

Endriky ny objectif

 

Fa toa izao ny sary vita:

Ny anaran'ny voninkazo voalohany dia Armérie Maritime na Gazon d'Olympe. Tao andavarangana no nakàna azy. 

Ny voninkazo faharoa kosa dia Iberis izay tena voninkazo kely dia kely tokoa, nalaina teo ambaravaran-kely. 

                           

Hampiditra hevitra

E-mail me when comments occur on this article
Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Desambra 2023 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
        1 2 3
4 5 6 7 8 9 10
11 12 13 14 15 16 17
18 19 20 21 22 23 24
25 26 27 28 29 30 31
Rohy
  • Blogroll
Tahiry