Babel... un autre visage de Brad Pitt

2006-10-30 @ 08:37 in Sarimihetsika

Teny gasy ihany ka :-)
Tsy nijery na naheno ny tsikera momba ity horonantsary Babel ity mihitsy aho talohan'ny nahitako azy omaly. Ary na dia tao amin'ny fividianana tapakila aza dia mbola noheveriko ho karazan'irony tantara gidragidra be irony ilay izy. Brad Pitt rahateo moa no milalao. Tsy izany anefa no hitako... fa tantara mampihetsi-po sy lalina dia lalina.

 (tohiny)

Vita ny player vaovao fihainoana ny Radiovazogasy

2006-10-24 @ 15:17 in Blaogy Dev

Vita indray izany izao ny player izay fihainoana ny Radiovazogasy.com. Tsy dia mahay flash loatra aho (tsy mahay mihitsy) fa dia izay hita no natambatambatra tao.

Azon'ny rehetra apetraka amin'ny site-ny ny player. Apetrako eto ambany eto dia jereo ny sources

SAMGraph: Mampiseho antsary ny isan'ny mpihaino

2006-10-20 @ 22:44 in Blaogy Dev

Fitaovana iray namboarina izay mampiseho ny isan'ny mpihaino amin'ny Radio mampiasa SAM.

Jereo eto: SAMgraph 

Toa izao ohatra ny mpihaino ao amin'ny Radiovazogasy

 

Karabot: fampiharana ny NET_Smartirc

2006-10-19 @ 16:11 in Blaogy Dev

Nivoaka androany ny release voalohan'ny Karabot... "Beta release" ary efa manomboka sahady manova azy aho.
Ny Karabot dia robot izay miasa sy mamaly ao anatin'ny chat IRC anakiray. Efa nikirakira eggdrop aho vao nanapakevitra ny hanoratra an'io robot io amin'ny alalan'ny PHP (mampiasa cli). Net_SmartIRC izay ao anatin'ny PEAR no nampiasaina hifandray amin'ny serveur.
Matanjaka tsara ilay bot ary tsy atahorana aloha hatramin'izao. Efa mipetraka ao amin'ny karajia.org mantsy izy io ary BotLives01 no anarany ao. Ny zavatra ataony ao amin'ny karajia.org amin'izao fotoana izao dia
- Mamaly ny baiko madinika mahazatra ny ankizy mpikarajia (Fun)
- Mamaly ny baiko momba ny radiovazogasy. Izany hoe mampiseho ny hira mandeha, mitady hira, mandahatra hira ary mametraka hafatra.
- Misy koa ny baiko hafa izay ataon'ny administrateurs.
Ny mbola hatao
Hampidirana baiko vitsivitsy:
- Mamaky hafatra
- Mamaky forum
- Mamaky gazety RSS
- Mandefa email
- ...

Serasera: Fito taona izay

2006-10-12 @ 09:34 in Blaogy Dev

Tamin'ny volana oktobra 1999 no niforonan'ny Serasera. Feno fito Taona izy izany izao. Te hijery aho hoe inona marina no tena fivoarana? Ny mpikambana no tsy mitsaha-mitombo. Ny anarana hoe serasera angamba efa mba malaza ihany. Ny fitaovana koa nitombo. Taloha dia nofinofy izany hampiasa serveur dedié izany... amin'izao mampiasa Dédiés roa. Ny vola mivoaka koa mitombo :-) (oviana vao hisy ny miditra?). Ny tanjona tsy miova... hampifandray ny Malagasy maimaim-poana. Mijanona ho maimaim-poana hatrany aloha satria tsy misy safidy hafa. Mbola tsy vitan'ny Malagasy ilay mandoa vola amin'ny services eto amin'ny internet.
Mety hahaliana angamba ity tabilao eto ambany ity izay misy ireo hafatra rehetra nandeha tao amin'ny lisitra.serasera.org izay takelaka tranainy indrindra eto amin'ny serasera.org. Nojereko tao fa sarotra be mihitsy ny roa volana nanombohana azy.

 (tohiny)

Blog upgrade

2006-10-11 @ 16:37 in Blaogy Dev

Fanintelony izao tao anatin'ny 2 andro no nanaovako fanandramana nampakatra ny milina ao anatin'ity blaogy ity ho 1.1, fa misy olana kely foana.

Ny olana farany izay mbola tsy voavaha androany dia ny resaka lahatsoratra miafina. Rehefa ampiasaina amin'ny 1.1 dia lasa tsy mety miafina ny lahatsoratra taloha. Mazava ho azy fa tsy hifindra 1.1 mihitsy aho raha tsy voavaha ireo olana ireo.

Mety hiditra ho anisan'ny developpers ao amin'ny lifetype ihany koa aho raha misy fotoana fa efa mba misy kely ihany ny bugreports nalefako no nampidirina ao amin'ny core-n'ny 1.2

Hapetraka eto ihany rehefa mampiasa tanteraka ny 1.1 ny blaogy.com 

Ny ratsy sy ny sitrapon'Andriamanitra

2006-10-07 @ 10:00 in Eritreritra mandalo

Resaka lavabe nifanaovanay ary tiako hotehirizina ato amin'ity blaogy ity, mety hahasoa na tsy hahasoa ny hafa, araka ny fandraisana azy ihany. Ny niatombohan'ny resaka dia hoe: iny no lalana nomen'Andriamanitra azy, làlana niantsoan'Andriamanitra azy. "Andriamanitra no mandahatra"... (tohiny)

Sokafy ny fo

2006-10-04 @ 13:42 in Eritreritra mandalo

Anisan'ny hevi-dehibe tamin'ny alahady teo tany am-piangonana ilay hoe "Izay tsy manohitra antsika dia miaraka amintsika". Dia toa izao tsara ny tenin'ilay mpitoriteny hoe : "Mivavaha isika mba hanana fo misokatra amin'ireo izay tsy mitovy hevitra amintsika, amin'ireo rahalahy tsy mitovy finoana amintsika."
Dia lasa ny saiko matetika hoe maro ve ny finoana hafa, na ny antokom-piangonana hafa, mivavaka tahaka izany? Tsy hoe mivavaka ho an'ireo tsy miaraka aminy hiova finoana, na ho resy lahatra akory... fa mivavaka ho an'ny tenany mba hahay hanaiky sy hahita izay tsara ao amin'ny hafa? Io fisokafana io no hitako ho harena lehibe indrindra izay tsy hain'ny mpino ny mitrandraka azy. Raha vao mahita olona, na antoko'olona iray hafa finoana amin'ny tena dia ny fiarovan-tena no alefa mialoha. Tsy heno intsony avy eo izay lazain'ny ankilany fa avy hatrany dia diso daholo.
Ny sasany moa dia natao ho iraka (avy amin'Andriamanitra) mihitsy ny "mampibebaka" ireo olona tsy mitovy finoana aminy. Ny iantsoany ireny olona ireny matetika dia "infidèles", "apostats", "excommuniés"... na tsorina fotsiny amin'izao hoe "Tsy mpino". Amin'ny finoana sasany dia manan-jo mihitsy hanilika, tsy hifandray... hatramin'ny hamono mihitsy aza, ny olona izay heveriny ho "Tsy mpino" ny olona iray. Ary ny tsirairay ao amin'ny isam-pinoana na isam-piangonana dia samy mahazo antoka fa marina ny finoany.
Koa angamba io vavaka ho an'ny fisokafana io tokoa no tsy ampy eo amin'ny tsirairay. Aza mivavaka ho an'ny fibebahan'ny hafa aloha... fa mibebaha ho an'ny fisokafan'ny fo. Rehefa misokatra sy mazava tsara ny fo dia ho hita hoe iza no mbola mila mibebaka.

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Oktobra 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30 31          
Rohy
  • Blogroll
Tahiry