Izay tsy miady olom-bodo

2006-11-28 @ 20:48 in Eritreritra mandalo

Ohabolana malagasy ny hoe "Izay tsy miady, olom-bodo fa ny to fo mamosavy". Fa mbola fomba fitenenana malagasy koa ny hoe "Manao vazaha mody miady". Ilay voalohany milaza hoe olona adala izay tsy miady fa ilay mitana an-dolom-po no tsy mety. Ilay faharoa kosa dia ny mifanohitra tanteraka amin'izay: rehefa miady dia miady fa tsy toa ny vazaha (hita amin'ny télé matetika... ohabolana vaovao io izany?) hoe milaza fa miady kanefa mifandray tanana ihany.
 (tohiny)

Adolantsento

2006-11-22 @ 23:18 in Blaogy Dev

Misy namako anakiray izay mikarakara mafy fananganana Gazety ho an'ny tanora mpianatra sy mpampianatra any Toliara. Miainga tanteraka amin'izay kely ananany izy kanefa hitako fa matotra ny ezaka. Araka ny nolazainy ahy androany ary dia amin'ny voalohandohan'ny desambra io no hamoahana ny gazety.
 (tohiny)

Malgachoscopie

2006-11-18 @ 23:20 in Izaho sy ny ahy

Teo ihany ny faniriako handray anjara amin'ilay Malgachoscopie izay nanentanana ny mpi-blaogy malagasy. Tsy vita anefa izany koa dia miala tsiny ho an'ireo izay sendra nanantena... ary misaotra an'ireo rehetra izay nahavita nanoratra.

Ny tanjona dia ny hilaza ny fomba fahitana ny fiainan'ny Malagasy amin'ny toerana misy azy. 

Zavatra roa no nanakana ahy tsy hahavita izany soratra izany. Teo aloha ny olana teknika tao am-piasana araka izay nolazaiko afakomaly ka nahatonga ahy hanohy ny asa rehetra serasera sy ny sisa aty antrano. Atahorana mbola hitohy amin'ny herinandro izany olana izany. Teo ihany koa ny olana ara-potokevitra. Eny, efa azo lazaina ho ela ihany aho no teto Italia saingy tsy hitako hoe inona no azo hamaritana ny fiainan'ny Malagasy eto Italia. Eo koa moa ny tontolo virtoaly izay misy ahy izay mahatonga ahy hanalavitra ny tontolo manodidina... ratsy be izany :-)

Ireto hono ireo namana izay nandray anjara tamin'ity Malgachoscopie ity.

Malagasyscopie par Aiky
Malagasy Copy par Dadee
Malgachoscopie par Elodieriana
Malagasy kôpy par Harinjaka
Lettre à un Malagasy de Madagascar par Iko
Malagasy Kopia par Jentilisa
Malgachoscopie | When you give back par Jogany
Malgachoscopie par Lilia
Malgachoscopie par Lutinewink
Malgachoscopie - Exil + Madagascarianskopia par Lova
Malagasyscopia par Malagasy any California
Malgachoscopie par Many
Malgachoscopie par Marc
Malgachoscopie par Mia
Malgachoscopie par Nivo
Malagasyscopie par Rajiosy
Malgachoscopie par Tokinao
Malgachoscopie - Fantatro izay fihaviako par Tomavana
Malgachoscopie par Vola

The Departed... il bene e il male

2006-11-18 @ 23:18 in Sarimihetsika

Zakan'ny synopsis tetsy sy teroa aho izay nilaza fa tena tsara ilay The Departed dia niezaka nijery. Henoko hatramin'ny voalohany fa remake-n'ilay Internal Affairs ilay izy ka izay no nampanahy aho. Rehefa nojerena anefa dia tena nahafa-po tanteraka ny tantara. Ho an'izay tsy tia korontana aloha dia tsy dia tsara ilay izy. Ny votoatin'ny tantara kosa dia azo lazaina hoe voasaina tsara.
Ny lohateny dia nampian'ny italiana hoe Il bene e il male (Ny tsara sy ny ratsy)... izay afaka mamintina tsara ny tian'ny tantara holazaina. Fifamadihan'asa eo amin'ny olona roa. Ny iray jiolahy nanao izay azony natao mba hahatafidirana tanteraka ao anatin'ny polisy... Ny iray kosa polisy izay nampidirina tao anivon'ny andian-jiolahy.
Ny niafarany fotsiny no tsy dia tsara... satria ny nandrasana dia hoe ny handresen'ny tsara. Asa ady sahala no niafaran'ilay izy.

Lahatsoratra raha tatoy

2006-11-16 @ 13:13 in Izaho sy ny ahy

Raha tatoy (ratatouille)... na kaonkalany (coq à l'ane <= asio accent circ.) no iantsoana ity lahatsoratra ity fa tsy voakitika nandritra ny andro maromaro ny blaogy.

Nifindra fournisseur-na Internet ny ao ampiasana ka efa ho herinandro izao tsy nisy connexion. Tampoka be koa ilay fanapahan'ny Albacom azy ka tsy nisy niomanana. Mahalagy be mihitsy ilay tsy misy internet fa mihainohaino daholo ny mpiasa.

 (tohiny)

Blaogin'i Soanja

2006-11-01 @ 23:35 in Eritreritra mandalo

Somary gaga ihany aho amin'ny toe-javatra izay mitranga ao amin'ny blaogin'i Soanja amin'izao fotoana izao. Fantatro aloha fa blaogy mitantara ny tantaram-piainany ny an'i Soanja, mety hisy fiainan'olona hafa voasingotra, kanefa betsaka ny tantara izay nalaina tamin'ny tantara marina toa izany no mivoaka etsy sy eroa izay tsy voatery nakàna fahazoan-dalana tamin'ireo fiainan'olona mety ho voateny ao anatiny... indrindra raha lazaina fa efa novaina ny anarana rehetra.
 (tohiny)

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Novambra 2006 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
    1 2 3 4 5
6 7 8 9 10 11 12
13 14 15 16 17 18 19
20 21 22 23 24 25 26
27 28 29 30      
Rohy
  • Blogroll
Tahiry