Vetso: kajikajy momba ny isa

2007-04-24 @ 10:52 in Serasera.org

Iaraha-mahita fa mbola tsy mirindra tsara ny fikajiana ny isa azon'ny tononkalo ao amin'ny vetso.serasera.org satria amin'izao raha vao omen'ny namana 1 isa 5 dia mahazo isa 5 avy hatrany (100%) ary tonga dia lasa ambony indrindra. Koa manana eritreritra toa izao aho momba io isa io. (tohiny)

Mr. Bean's Holiday... lasa lavitra

2007-04-20 @ 09:21 in Sarimihetsika

Gaga aho androany nijery tamin'ny yahoo movies fa tsy mbola nivoaka any US ilay film Mr Bean's Holiday na dia efa mivoaka amin'ny firenena maro aza. Amin'ny 31 aogositra hono vao hivoaka... satria angamba tsy film amerikana. Dia mbola gaga koa aho fa vao 2 herinandro monja no nivoahany dia nahatratra 124 millions USD sahady ny vola voaangony... mandrapahatongan'ny volana aogositra izany dia mety hahazo mihoatra noho ny 200 millions io film io. (tohiny)

Lahatsoratra miafina

2007-04-18 @ 16:39 in Ankapobeny

Mba hahafahana mamaky ity lahatsoratra ity dia ampiasao ny tenimiafina test

 (tohiny)

Fisaorana an'i S.E. Paraina

2007-04-16 @ 13:23 in Eritreritra mandalo

Eto amin'ity blaogiko ity no hanehoako ihany koa ny fisaorako an'i Paraina Auguste izay ambassadeur (t)eto Italie nandritra izay efa-taona izay. Amin'ny maha mpiasam-panjaka azy moa, araka ny nolazainy, dia voatendry hiasa any amin'ny toeran-kafa indray izy. Tamin'ny fihaonana tamin'ny asabotsy teo, izay nankalazanay indrindra ny tsingerintaona nahaterahany, no nilazany izany vaovao izany. (tohiny)

Test dailymotion

2007-04-12 @ 16:36 in Blaogy Dev

Kely sisa

2007-04-11 @ 18:40 in Blaogy Dev

Andro vitsivitsy izay no nikotranako tanteraka ny blaogy.com mba hanavaozana azy araka ny tokony ho izy. Efa vita daholo amin'ny ankapobeny ny tena votoatiny fa mbola misy ihany ireo zavatra tsy vita... anisan'izany ny famerenana amin'ny laoniny ireo Endrika isankarazany izay efa nampiasain'ny namana. Ny anisan'ny mahafaly aloha dia nivoatra be mihitsy ny moteran'ny lifetype ka moramora kokoa ny manampy ny zavatra tadiavina. Tsy voatery mikitika ny "core" intsony aho fa misikotra amin'ny sisiny dia ampy. Ho mora koa noho izany ny mamaly ny hetahetan'ny namana mpampiasa ny blaogy.com.

Angamba raha be indrindra dia 3 andro sisa dia ho tafaverina daholo ny endrika rehetra sy ny plugins rehetra.

Sombintsary "primavera"

2007-04-01 @ 22:10 in Izaho sy ny ahy

Tonga sahady ny primavera (na printemps hoy ry zareo Frantsay), dia mba naka ity sary ity teo andavarangana aho miaraka amin'ireo tavim-boninkazo ringitry ny ririnina. Tsy dia namely loatra ny ririnina tamin'ity indray mitoraka ity ka mbola nisy vaoniny ihany ilay voasary makirana.

IMGP6814

Momba ahy
hery

Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)

calendar
« Aprily 2007 »
At Ta Ar Ak Zo As Ah
            1
2 3 4 5 6 7 8
9 10 11 12 13 14 15
16 17 18 19 20 21 22
23 24 25 26 27 28 29
30            
Rohy
  • Blogroll
Tahiry