Eritreritra sendra mandalo fotsiny momba ny zavatra mitranga anakiray. Nisy bandy iray nahavita nifamaly mafy tamin'ny lehibe tao ambadika tao omaly. Tena tabataba mihitsy ary nakaratok'i leiry imbetsaka ny varavarana. Niondrika fotsiny aho tato amin'ny biraoko naheno azy. Tonga moa i leiry dia lasa nody ary hatramin'izao androany maraina izao dia mbola tsy niverina niasa. (tohiny)
Nandeha kely tany Venise aho tamin'ity weekend ity (atao antso avo satria vao sambany tany :-)). Niala zoma dia tonga alahady. Nieritreritra hoe tafala teto Afrika... kay tafala tapany fotsiny. KOa satria asabotsy maraina ny fotoana novonjena tany kanefa mbola niasa zoma hariva dia voatery nandray fiaran-dalamby mandeha amin'ny alina izahay. Naharitra teo amin'ny (tohiny)
Ny volana jiona no volan'ny anniversaire ao amin'ny Fianakavianay. Aminay 6 mianadahy dia 4 no manana anniversaire volana jiona ny iray volana jolay ary izaho faran'ny taona. Efa nanomboka omaly izany Andry zandriko lahy 11 jiona, Haja 14 jiona, Fara zandriko vavy 18 jiona, Hasina zandriko lahy 22 jiona dia Vola sisa no 28 jolay. Rehefa dinihana dia voalohandohan'ny volana oktobra any izany no fotoam-pamafazana mba hahazoana vokatra volana jiona... nahoana ary? (tohiny)
Mbola fiainana eto Afrika ihany (eto amin'ny firenena iray atao hoe Italia).
Tahaka ny tany andalam-pandrosoana mandroso rehetra dia mba misy grevy koa eto Italia. Afak'omaly hariva ary dia nanambara grevy hanoherana lalànan'ny fanalalahana ny mpivaro-dasantsy. Higrevy mandritra ny 3 andro hono. Be dia be avy hatrany no nilahatra lasantsy tamin'iny talata hariva iny. Tamin'ny ora farany anefa dia nandefa vaovao ny avy any Sicile fa hoe nofoanany ny grevy any aminy... tsy nifanaraka ny mpigrevy. Namaly ny teto Roma hoe raikitra ny grevy eto an-drenivohitra. Omaly anefa dia tsy naharitra ry zalahy mpivaro-dasantsy fa nivarotra ihany. Tsy hihinan-kanina ve moa? Itovizan'ny firenena Afrikana rehetra io ka tsy mahagaga raha izany no nitranga teto Italia. Rehefa misy grevy dia azo antoka foana fa hisy ny service minimum maximum ka tsy hampihontsona ny mpitondra mihitsy. Tsetsatsetsa tsy aritra iny.
Aza taitra loatra :-) Tena fanahy niniana napetraka io lohateny io hahafantaran'izay mamaky hoe aiza marina aho no monina. Tahatahaka ny ahoana ny tontolo manodidina ahy. Tonga soa eto Afrika. (tohiny)