Takelaka vaovao
Dia navoaka androany ny takelaka bizna.serasera.org rehefa avy nokonokononina nandritra ny andro maromaro. Tsy natao version beta toa ny mahazatra satria stable daholo ny lafiny ara-teknika.
(tohiny)
Resaka mifangaro, zah manokana, serasera, blaogy, sns...
Dia navoaka androany ny takelaka bizna.serasera.org rehefa avy nokonokononina nandritra ny andro maromaro. Tsy natao version beta toa ny mahazatra satria stable daholo ny lafiny ara-teknika.
(tohiny)
Nahafinaritra ny fetin'ny asa androany. Efa nanomboka omaly mantsy e. Fety nitohy ka toa tsy tsaroana akory hoe hiasa rahampitso.
Sombiny an-tsary no aoka hitantara.
(tohiny)
I got a very urgent call for help from Renzki this afternoon. All his joomla sites got a parse error somewhere in mosce.php file.
After checking googles and joomla forum I understood that it's a hack... or more precisely a worm virus. It's very annoying. Almost in all directories, I see files like remote.php guest.php packages.php tests.php create.php etc... and also .htaccess files. those files contain quite the same script, they are base64_encode-ed so we can understand the files from decoding them.
Nivoaka ny version vaovao 1.0.4 ho an'ny lifetype izay nanamafy ny fiarovana eo amin'ny lafiny vitsivitsy. Dia nampidirina tato amin'ny blaogy.com koa io rehefa nojerena akaiky. Misy olana ihany isaky ny manova toa izao satria efa tsy original intsony ny blaogy.com fa efa namboarina hifanentana amin'ny filàna. Noezahina nahitsy izay tokony hahitsy... ary efa nandramana ihany koa ka tsy nisy olana.
Raha toa anefa ka sendra misy olana tsikaritrareo dia ilazao ihany aho.
Ny zava-mitranga androany no tena azo antsoina amin'io teny hoe "nitonantonana" io. Ny atao hoe nitonantonana mantsy dia ilay tonga tsy nantsoina... saingy amin'ny endriny tsy dia tsara loatra. Raha tsy diso aho dia misy ohabolana malagasy hoe "Mitonantonana ohatry ny vinanto tsy mahare fosa". Efa vinanto tsy tiana sy fosaina izao mbola iny fa tonga ihany :-) (Tsy zah, tsy zah...)
Fa ny androany dia tena fitonantonanana tokoa... hay pont andro tsy fiasana ho an'ny eto Italia androany... kanefa aho mbola mijaingijaingy tonga aty am-piasana ihany. Mbola zazavao eo amin'ny tontolon'ny asa tokoa e... Ny rahampitso aloha fantatro hoe tsy fiasana, dia efa henoko tamin'ny gazety ihany ny resaka pont... fa tato tsy nisy resaka mihitsy. Ny mpiambina vavahady koa mbola miasa tsara :-) (angamba i leiry toran'ny homehy mangina nahita ahy niditra sy niarahaba azy soa amantsara). Niakatra taty amin'ny birao aho dia mbola mihidy daholo toa ny mahazatra (satria aho tonga aloha foana)... fa efa amin'ny sivy sy folo izao kanefa mbola tsisy tonga daholo ny mpiasa amin'ireo birao efatra mifanila amiko... noho izany, andro tsy fiasana androany :-(
Soa fa misy tetik'asa manokana be dia be hatao
Ho hitanao ato ny isandroko. Angoniko ato mba hovakiako indray any aoriana any :-)