Tsy ilay hira malaza (manjary atao @ fiandrasam-paty foana) no tiako lazaina amin'ny lohateny fa dika tsotsotra an'ilay fiteny hoe "Keep moving forward". Omaly hariva aho vao nijery an'ilay Dessin Animé (ie, mpakafy an'ireny aho) hoe "Meet the Robinsons" satria hanomboka hiasa androany fa vita ny fialantsasatra dia hoe te hihomehy kely. Rehefa fotoana tiako hanadiovana ny atidohako hanadino vetivety ny ordinatera sy ny mombamomba azy mantsy dia mijery film-njaza toa ireny aho. (tohiny)
Omaly alina vao hitako ilay Into the Wild na dia efa tamin'ny 2007 aza no nivoaka. Henoko ihany ny lazany fa noheveriko hahamonamonaina satria dia efa ho 150mn be izao. Nony nijery azy anefa aho alina dia tena nankafy tanteraka. Raha mbola tsy hitanareo dia mba jereo ihany. (tohiny)
Dia hivoaka amin'ny faran'ity taona ity indray izany ny "Madagascar, The Great Escape" (aka. Madagascar 2). Miala ao Madagasikara ry zareo amin'ity film ity ary dia mitontona indray any Afrika. (tohiny)
Sary indray mipika (tsy ahy) hizarana aminareo ny ambiansy ho an'ny mpijery video eny amin'ny elakelatrano. Amin'izao fotoana izao dia efa 300A no fidirana. Efa betsaka koa ny lohateny teny anglisy (Viva eMule!!!). Ary efa tsy kasety intsony no alefa fa efa DVD (re-viva eMule sy ny divX).
Mahazo tombony ny olona mpanao an'io satria mbola tsy ampy fialam-boly ny Malagasy.
Gaga aho androany nijery tamin'ny yahoo movies fa tsy mbola nivoaka any US ilay film Mr Bean's Holiday na dia efa mivoaka amin'ny firenena maro aza. Amin'ny 31 aogositra hono vao hivoaka... satria angamba tsy film amerikana. Dia mbola gaga koa aho fa vao 2 herinandro monja no nivoahany dia nahatratra 124 millions USD sahady ny vola voaangony... mandrapahatongan'ny volana aogositra izany dia mety hahazo mihoatra noho ny 200 millions io film io. (tohiny)