Raha mbola tsy hitanao ilay soratro hoe Getting personal dia jereo aloha alohan'ny hilazàna hoe "izany koa dia tantaraina amin'ny blaogy"... satria tafiditra ao anatin'io ity resaka ity. Fahotana ve ny mampiasa emule? ENY. Fa izany hoe amin'ny lafiny hafa mihitsy ny maha fahotana azy. (tohiny)
Ny lohateny fotsiny no teny anglisy. Miverina amin'ilay resaka hoe "Inona no misakana anao tsy hanana blaogy" aho. Hitako fa ny tena misakana ahy tsy hanoratra matetika dia tsy hoe ny hosoratana no tsy misy fa izay tiako hosoratana rehetra toa zavatra mikasika ahy manokana avokoa. Tamin'ny mbola tsy be mpamaky ny blaogy dia tsy olana firy, fa rehefa manomboka betsaka ny mpamaky, ka miparitaka amin'ny RSS etsy sy eroa, dia misalasala ihany ny tena hanoratra.
(tohiny)
Misy zavatra mampientam-po eto Roma amin'ity herinandro ity. Nanomboka androany tamin'ny 7 ora hariva teo dia vakiana tsy ankijanona hatramin'ny voalohany ka hatramin'ny farany ao amin'ny fiangonana iray ny Baiboly. Ao amin'ilay Bazilika "Santa Croce in Gerusalemme" no anaovana an'izany ary olona avy amin'ny firenena samihafa, finoana samihafa, sokajy samihafa, no mifandimby mamaky ao.
(tohiny)